Sainam-pirenen'ny Repoblikan'i Kôngô
Ny Repoblikan' i Kôngô na Kôngô-Brazzaville dia firenena ao amin'ny faritra afovoan'i Afrika. I Brazzaville no renivohiny. Mifanefi-tany amin’ ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ao atsimo sy ao atsinanana, amin’ i Angôla ao atsimo andrefana, amin’ i Gabôna ao andrefana ary amin’ i Kamerona ao avaratra-andrefana izy. Manana morontsiraka mirefy 169 km amin’ ny Ranomasimbe Atlantika izy ary manana velaran-tany mirefy 342 000 km2. Isan' ireo firenena farany mahantra ny Repoblikan' i Kôngô.
Ny
Pigmea Mboty no mponina voalohany tao amin' ny faritra misy ny
Repoblikan'i Kôngô ankehitriny. Niorim-ponenana tao koa tamin’ ny fiandohan’ ny fanisan-taona iraisana ny Banto. Ireo fanjaka-mpanjaka roa lehibe dia ny fanjakan’ i Lôangô sy fanjakan’ i Kôngô. Ny fanjakan’ i Lôangô dia fanjakana miankina amin' ny fanjakan’ i Kôngô. Ny faharavan’ ny fanjaka-mpanjaka, ny fivarotana andevo, ny ady mitam-pidiana dia nanakorontana ny fiainan’ ny mponina.
(tohiny...)
Ny tsimokaretina coronavirus
Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.
Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.
Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.
Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.
Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza.
(tohiny...)