Aller au contenu

Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Valan-javaboarin' i Ranomafana)
Fidirana ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana

Ny Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana dia valan-javaboary ao amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Faritra Vatovavy. Natsangana ho valan-javaboarim-pirenena fahefatra eto Madagasikara izy io tamin' ny taona 1991 taorian' ny nahitana indray ny varibolo (Hapalemur simus) sy ny fahitana ny varibolomena (Hapalemur aureus) nataon' ny dokotera Patricia Wright, manam-pahaizana momba ny primata.

Misy ala trôpikaly maherin' ny 41 600 hektara ilay valan-javaboary manana haavo eo anelanelan' ny 800 sy 1 200 m ambonin' ny ranomasina ary fonenan' ny karazana zavamaniry sy biby maro tsy fahita firy. Taty aoriana dia nampidirina tao amin' ny Lova Iraisam-pirenena mombany Ala Mando any Atsinanana ao amin' ny UNESCO. Ny tobim-pikarohana Center ValBio dia mifanakaiky amin' ilay valan-javaboary ary noforonin' ny Stony Brook University tamin' ny taona 2003 ho an' ny fikarohana momba ny zavamananaina, ny fahasalaman' ny fiarahamonina sy ny fanabeazana, ny zavakanto momba ny tontolo iainana ary ny fambolen-kazo.

Ny anaran' ilay valan-javaboary dia avy amin' ny teny malagasy hoe "rano mafana" noho ny loharano mafana ao amin' ny tanànan' i Ranomafana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-javaboary