Aller au contenu

Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Valan-javaboarin' i Nosy Ve-Androka)
Karazana haran-dranomasina

Ny Valan-javaboaharim-pirenena Nosy Ve-Androka dia faritra arovana an-dranomasina any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, any atsimon' i Toliara, ary 40 km atsimon' ny tanànan' i Anakao. Ny laharam-pehintaniny dia eo anelanan' ny 25°29 sy 25°09 Atsimo ary ny laharan-jarahasiny dia eo anelanan' ny 44°50 sy 45°06 Atsinanana ary ny velarany dia mirefy 92 080 ha. Ahitana faritra foibeny mirefy 28 820 ha sy faritra mpanelanelana 63 260 ha ny ao. Ity valan-javaboary ity dia ahitana faritra kely valo mitsinjara amin' ny vondrona roa, ary ny ampahany iray dia hita manamorona ny morontsiraka mifanila amin' ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa. Tafiditra ao anatin' izany ny ampahany misy tangoron-karan-dranomasina ao amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, izay tangoron-karan-dranomasina fahatelo lehibe indrindra eran-tany. Ahitana karazana haran-dranomasina miisa 140 eo ho eo sy karazan-trondro 240 eo ny Valan-javaboarin' i Nosy Ve-Androka. Misy karazana tsy fahita firy toy ny Coelacanthiformes, ny karazana sokatra an-dranomasina, ny lamboara sy ny feso ary ny trozona, ary tora-pasika ampiasain' ny fano.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]