Melaneziana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Vahoaka melaneziana)
Zazavavy kely any Vanuatu

Ny Melaneziana dia vahoaka monina indrindra amin' ireo vondro-nosy mitambatra ao amin' i Melanezia, ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia, sy mahafaoka an' i Papoazia-Ginea-Vaovao sy an' i Kaledônia-Vaovao ary an' ireo vondro-nosy Solomon sy Vanoato ary Fijy.

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Ny Melaneziana dia taranaky ny olona nifindra monina avy any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Azia tamin' ny alalan' ny lakam-be tokony 3 000 taona tal. J.K. hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Nizotra nankany atsinanana sy niorim-ponenana tsikelikely tao amin' ireo faritra a-morontsiraka tao amin' ireo nosy ireo izy ireo alohan' ny hidirany tany afovoan-tany.

Asa fivelomana[hanova | hanova ny fango]

Monina ambanivohitra ny Melaneziana. Mpamboly amin' ny tany avy nodorana mba hambolena zavamaniry misy vodiny, toy ny saonjo sy ny vomanga sy ny hafa koa ny Maleziana. Mampidi-bola amin' ny alalan' ny fanamboarana kôpra koa izy ireo. Mamboly kafe sy kakaô koa ny Melaneziana. Miompy kisoa sy karazana lamboala, izay ataony sorona amin' ny lanonana misy fomban-drazana izy ireo, ka ny henany dia zaraina amin' ny mpanatrika rehetra. Mihinana trondro ireo vahoaka maleziana monina a-morontsiraka.

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Kolontsaina nentim-paharazana[hanova | hanova ny fango]

Manana kolontsaina maro isan-karazany ny Melaneziana, dia kolontsaina tsy dia misy toetra itambarany firy. Ny olona manana traikefa amin' ny fitenenena sy amin' ny fandaminana ny fifandraisan' ny tontolo hita maso amin' ny tontolo tsy hita maso, sy ny fifandraisan' ny velona amin' ny maty no mitarika ny fiarahamonin' ny Melaneziana.

Kolontsaina taty aoriana[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nifandray amin' ny mpivarotra sy misiônera kristiana tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 ny Melaneziana dia tsy nanary ny fomban-drazany fa namorona fivavahana mampifangaro finoana sy fomba, dia ny fivavahana amin' ny sambo, ny finoana milenarista izay inoany fa hisehoan' ny sambo hitondra harena ho azy ireo. Tamin' ny taona 2011 dia fantatra fa ny 92 %n' ny Maleziana dia Kristiana.

Fiteny any Melanezia[hanova | hanova ny fango]

Ankizy mpianatra any amin' ny nosy Solomon

Miteny amin' ny fiteny maro ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana na malaiô-pôlineziana ny Melaneziana, indrindra ny sampam-piteny ôseaniana na ôseanika, sy amin' ireo vondrom-piteny papoa tsy miray fianakaviana. Maro koa ireo fiteny kreôly tenenin' ny Melaneziana, toy ny tok pisin, ny hiri motu, ny pijin, ny bislamara ary ny ny maley papoa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]