Tobilehibe Manolotrony

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tobilehibe Manolotrony dia tobim-pifohazana naorin-dRavelonjanahary, izay tobim-pifohazana miankina aminy manerana an' i Madagasikara. Miankina amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny Tobilehibe Manolotrony. Isaky ny 15 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonan' ity tobilehibe ity. Anisan' ny zana-tobin' i Manolotrony ny Toby Vatotsara ao Antsirabe. Izy no foiben' ny fifohazana Manolotrony.

Toerana misy ny toby[hanova | hanova ny fango]

Miorina ao Manolotrony ity tobilehibe ity. I Manolotrony dia tanàna ao amin' ny tapany atsimon' ny Faritanin' i Fianarantsoa. Ao amin' ny faritra misy azy no ahitana ilay havoana Ambondrombe inoan' ny Malagasy sasany fa onenan' ny fanahin' ny maty, izay manana haambo mirefy 1 925 m.

Ny mpanorina ilay toby[hanova | hanova ny fango]

Ravelonjanahary no naotina ilay toby. Teraka tamin' ny taona 1850 izy. Notezaina tao amin' ny fiangonana naorin' ny London Missionary Society izy nefa nanana ody. Nilaza ho nisehoan' i Jesoa matetitetika tao an-tanàna sy tany an-tsaha izy tamin' ny fahenimpolo taonany. Nahare feo nanasa azy mba hijery ny rantsan-tanany folo izay nisy ny soratry ny Didy folo izy, sady nampanantena azy fa izay rehetra mino an' Andriamanitra noho ny teny izay hambarany dia ho sitrana amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana.

Lazaina fa niverimberia ny fahafatesany nefa nitsangana isaky ny avy maty izy. Tamin' ny taona 1970 izy vao maty sady tsy niverina intsony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]