Aller au contenu

Seranan-tsambo mizakatenan' i Toamasina

Avy amin'i Wikipedia
Ny seranan-tsambon' i Toamasina

Ny seranan-tsambo mizakatenan' i Toamasina dia seranan-tsambo ao amin' ny Ranomasimbe Indiana ao amin' ny tanànan' i Toamasina eto Madagasikara. Io no seranan-tsambo lehibe indrindra eto amin' ny Nosy.

Asa atao ao

[hanova | hanova ny fango]
Ny seranan-tsambon' i Toamasina

Ny seranan-tsambon' i Toamasina no mitantana ny 80 % amin' ny fifamoivoizana an-dranomasina iraisam-pirenena eto Madagasikara. Manodidina ny 1 600 000 taonina ny entana ary 18 900 refim-paladia roapolo (606 700 m3 any ho any) isan-taona no karakaraina ao amin' ilay seranan-tsambo. Izy io dia seranan-tsambon' entam-barotra toy ny simenitra, ny karao-bato, ny kobam-barimbazaha, ny menaka fihinina, ny many, ny lamba, ny voamadinika, ny akora krôma, ny hazo, ny kafe, ny zava-manitra, ny lavanila, ny siramamy, ny solitany sy ny vokatra azo avy aminy. Toeram-pikarakarana kôntenera, voalohany indrindra, ilay seranan-tsambo satria ny 75 % amin' ny entana ao dia entana anaty kôntenera. Mahatratra 140 000 m2 ny velaran' ny fitoerana kôntenera ao amin' ilay seranan-tsambo, izay manana fahafaha-mitahiry isan' andro manodidina ny 7 000 refim-paladia roapolo (any amin' ny 224 700 m2). Ity seranan-tsambo ity dia mifandray amin' ny lalam-pirenena faha-2 (RN2) sy ny lalambim-pirenena.

Fanitarana ilay seranan-tsambo

[hanova | hanova ny fango]
Ny seranan-tsambon' i Toamasina

Nanomboka ny taona 2018, ny Société du Port Autonome de Toamasina (SPAT), izay tompon' andraikitra amin' ny fitantanana ny seranan-tsambon' i Toamasina, dia nanomboka nanitatra azy, ka ny roa ampahatelony novatsian' ny Japan International Cooperation Agency (JICA) tamin' ny alalan' ny fampindramam-bola mitentina 411 tapitrisa dolara. averina anatin' ny 40 taona. Ny asa fanitarana dia tokony hahafahan' ilay seranan-tsambo hampitombo avo efatra heny ny fahafahany mandray entana (indrindra amin' ny sambo mpitondra kôntenera) sy amin' ny fandraisana ny sambo lehibe kokoa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]