Fitaterana eto Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Fiarabe fitaterana ny mpandeha lavitra eto Madagasikara

Ny fitaterana eto Madagasikara dia anisan' ny fitaterana mampiavaka ny firenena an-dalam-pandrosoana izay ahitana taratra ny fahantran' ny firenena. Ny lalana vita tara sy tsy vita tara ary koa ny lalamby no tena fitaovana fitaterana eto Madagasikara. Manodidina ny 31 640 km ny lalana vita tara ary 836 km ny lalamby eto Madagasikara. Tamin' ny taona 2010 dia nanana lakandrano mirefy 432 km azo andehanan-tsambokely i Madagasikara. I Antananarivo no ivon' ny tambajotram-pitaterana, tambajotra voafetra noho ny vohon' ny tany sy ny faharatsian' ny fotodrafitrasa. Mandalo ao Toamasina, izay seranan-tsambo lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, ny ampahatelon' ny varotra ivelany. Manana seranam-piaramanidina efatra lehibe i Madagasikara, anisan' izany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen' Ivato ao Antananarivo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]