Sekoly Teolojikam-Paritra Loterana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Sekoly Teolojikam-Paritra Loterana (na STPL) dia sekoly fianarana teôlôjia izay anomanana ny lehilahy hanao pastora sy ny vehivavy teôlôjiana ao amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) izay miisa dimy manerana an' i Madagasikara. Sekoly ambaratonga faharoa ny STPL, ka ny eo alohany dia ny Sekoly Biblika (na SB) izay sekoly ambaratonga voalohany anomanana ny olona hanao ny raharahan' ny katekista ary ny manaraka azy dia ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (na SALT) izay ambaratongna ambony ampianarana ireo pastora sy teôlôjiana.

Misy dimy izy ireo ankehitriny (ao Atsimoniavoko, ao Marovoay, ao Ambatofinandrahana, ao Bezaha, ao Vangaindrano ary ao Morondava). Ny tanjona amin' ity dingana ity dia ny hanomana tanora ho tonga pastora. Maharitra efatra taona ny fianarana ary itakiana ny mari-pahaizana Bakalorea amin' ny fianarana ankapobeny ireo mpianatra hiditra ao. Fifaninanana no idirana ao ka izay mahazo ny isa ambony indrindra, araka ny fahafahan' ny STPL tsirairay, no tafiditra. Misy ny taranja teôlôjika rehetra ilaina amin' ireo sekoly ireo:

Ny mpianatra mahavita ny fianarany amin' ity dingana ity dia mahazo ny diplôma antsoina hoe Diplôma Pastoraly, izay manamarina fa azo atao ordinasiona izy araka ny fanapahan-kevitry ny Synoda niaviany.

Ny dingana anelanelany dia antsoina hoe Bakalorea Amin' ny Teolojia (BAT) izay programa iray taona aorian' ny STPL. Misy amin' ireo STPL sasany, toy ny STPL Betela Marovoay, izay mamela ny mpianatra hanohy avy hatrany amin' ny BAT aorian' ny efa-taona ao amin' ny STPL. Amin' ny ankapobeny anefa dia tokony miasa iray taona any amin' ny Fitandremana niaviany aloha ilay mpianatra izay vao afaka manohy ho amin' ny BAT. Ny tanjona amin' ny BAT dia ny hanazarana ny mpianatra hanao fikarohana sy fanoratana akademika, izany hoe, dingana fohy fanomanana azy ho amin' ny dingana oniversitera izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]