Ponjaby (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Amponga nentim-paharazana ponjaby izay velezina amin' ny fampakaram-bady.

Ny Ponjaby na Penjaby dia vondrom-poko ara-piteny mifandray amin' ny faritra Punjab na Penjab (any Pakistàna sy any India), miteny ponjaby na penjaby, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-ariana. Amin' ny fomba nentim-paharazana, ny maha Ponjaby dia ny fiteny sy ny jeôgrafia ary ny kolontsaina. Ny maha izy azy ny Ponjaby dia ireo izay monina ao amin' ny Faritr' i Punjab, na izay mahatsapa ho mifandrohy amin' ny mponina ao, ary ireo izay mihevitra ny fiteny penjaby ho fitenin-drazany.

Ara-tantara, ny Ponjaby dia vondrona samihafa izay nizara ho fokom-pianakaviana maromaro antsoina hoe biradari ("firahalahiana") na fokom-pirenena, ka ny olona tsirairay dia ao amin' ny fokom-pianakaviana iray. Na izany aza, tafiditra ao anatin' ny maha Penjaby koa ny olona tsy anisan' ireo fokom-pianakaviana ara-tantara ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia rava ny rafitra ara-poko ary nisolo fiaraha-monina mifankahazo kokoa sy miray hina.

Any Pakistàna (90 512 900) sy any India (29 102 477) no tena onenan' izy ireo, nefa ahitana azy koa ny any Kanada (430 705), ny any amin' ny Fanjakana Mitambatra (296 381), ny any Etazonia (250 000), ny any Aostralia (71 228), ny any Malezia (56 400), ny any Libia (54 000), ny any Nôrvezy (24 000), ny any Bangladesy (23 700), ny any Zelandy Vaovao (19 752), ary ny any Nepaly (808).

Ny 58 % amin' ny Ponjaby ao India dia manaraka ny fivavahana siky fa ny 38,5 % kosa dia Hindo. Ny 98 % amin' ny Ponjaby ao Pakistàna dia manaraka ny fivavahana silamo. Ny ankoatr' ireo dia manaraka ny fivavahana kristiana na fivavahana hafa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]