Pantorkisma

Avy amin'i Wikipedia
Fihaonambe pantorkista tao Istanbul, Marsa 2009

Ny pantorkisma na torkisma dia hetsika ara-pôlitika nipoitra nandritra ny taona 1880 teo amin' ireo manam-pahaizana torkika tany amin' ny faritra rosianan' i Kazan (Tatarstan), tany Kaokazy (Azerbaijana ankehitriny) ary tao amin' ny Empira Ôtômana (Torkia ankehitriny), ka ny tanjony dia ny fampiraisana ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ny vahoaka torkika rehetra. Atao hoe Pan-Türkizm na Türkçülük na Türkizm izany amin' ny teny tiorka.

Hetsika mifandray akaiky aminy ny toranisma (izay mana-tanjona ny hanambatra ny vahoaka miteny altaika sy finô-ogriana) ny torkisma saingy mahafaobe kokoa ity farany, satria ny torkisma dia mihatra amin' ny vahoaka torkika ihany. Na izany aza dia nampiasa ireo teny ireo nifandimby ao amin' ny loharano sy asa soratra maro ny mpikaroka sy mpanao pôlitika liana amin' ny foto-pisainana pantorkista.

Na dia maro amin' ny vahoaka torkika aza no iray fototra ara-tantara, ara-kolontsaina ary ara-piteny, ny firongatry ny hetsika ara-pôlitika pantorkista dia tranga niseho tamin' ny taonjato faha-19 sy faha-20. Ny pôeta ôtômana Ziya Gökalp dia namaritra ny pantorkisma ho foto-kevitra ara-kolontsaina, akademika, ara-pilôzôfia ary ara-pôlitika manohana ny firaisan' ny vahoaka torkika. Araka ideôlôjia dia nifototra amin' ny darvinisma ara-tsôsialy izy io. Ny pantorkisma dia nampiavaka ny teôria pseodôsiantifika antsoina hoe pseodô-torkôlôjia.