Aller au contenu

Pagôda

Avy amin'i Wikipedia
Pagôdan' i Thiên Mụ

Ny pagôda dia tranobe misy relika bodika sady toeram-pivavahana ho an' ny Bodista, miendrika tilikambo misy ambaratonga na rihana maromaro, manana fototra boribory na valolafy na efamira, miavaka noho ny fananany tafo milantsika na miandrika babin-katsaka, fahita any Tailandy any Kambôja, any Nepaly, any Sina, any Japôna, any Kôrea, any Mianmara, Vietnamy, ary any amin' ny faritra hafa any Azia. Izany no endrika noraisin' ny stopa (stupa) indiana, na zedy (zedi), any amin' ny Tontolo Sinoa ary amin' ny ankapobeny any Azia Atsinanana.

Ny ankamaroan' ny pagôda dia ampiasaina amin' ny fivavahana, ny ankamaroany bodista, fa indraindray koa taôista, ary matetika nizy ireny hita tao anatin' ny vihara (vihara) na teny akaikin' ny vihara. Avy amin' ny fivoaran' ny stopa (stupa) ny pagôda, fa ny fampivoarana azy dia novolavolaina tany India. Ampahany nentim-paharazana amin' ny maritrano sinoa ny pagôda sinoa (amin' ny fiteny sinoa: 塔/ ). Ankoatry ny fampiasana azy ara-pivavahana dia efa hatramin' ny Andro Taloha ny pagôda sinoa no noderaina noho ny endriny mahatalanjona, ary tononkalo klasika maro no manaporofo ny hafalian' ny olona amin' ny fiakarana amin' ny pagôda.

Ny pagôda Hōryū-ji dia tempoly bodista ao Ikaruga, prefektioran' i Nara, any Japàna.

Vita tamin' ny hazo ny pagôda tranainy sy avo indrindra, fa ny ankamaroan' izay mbola sisa tavela dia vita amin' ny biriky na vato. Vainga tsy misy atiny ny pagôda sasany. Tsy misy rihana na efitra ambony ny pagôda poaka aty, fa matetika ny ao anatiny no misy alitara na pagôda kely kokoa, ary misy tohatra maromaro hiakaran' ny mpitsidika mba ho afaka hijery avy amin' ny karazana varavaran-kely na lavaka amin' ny lafiny iray amin' ny ambaratonga tsirairay. Manana ambaratonga 3 ka hatramin' ny 13 (matetika amin' ny isa tsy ankasa) ny ankamaroany.

Any amin' ny firenena sasany, ny teny hoe pagôda dia mety manondro trano fivavahana hafa. Any Vietnamy sy any Kambôdia, na dia tsy teny tandrify aza ny pagôda hanondroana ny vihara bodista. Niely manerana an' i Azia ny firafitry ny maritranon' ny stopa (stupa), naka endrika manokana arakaraka ny faritra tsirairay. Maro amin' ny tilikambon-dakolosy any Filipina no nalaina tahaka amin' ny pagôda noho ny mpiasa sinoa nokaramain' ny Espaniôla.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]