Aller au contenu

Stopa

Avy amin'i Wikipedia
Stopa any Samye, Lhasa, any Tibeta

Ny stopa dia rafitra ara-maritrano bodista sy jaina hita any amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, izay niaviany, sy any amin' ny faritra hafa any Azia, izay nanaraka ny fielezan' ny bodisma. Sady fanehoana tsy an-tsary an' i Bodà izany no tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany (na parinirvana). Amin' ny teny sanskrity izy dia atao hoe स्तूप / stūpa, izay midika ara-bakiteny hoe "tampona", "antonta" na "tendrombohitra" ary manoritsoritra dongon-tany itehirizana relika, izay atao amin' ny fiteny birmana hoe zedi.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]