Hankany amin'ny vontoatiny

Nosy Komba

Avy amin'i Wikipedia
Nosy Komba

I Nosy Komba dia nosy vôlkanika kely any avaratra-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Diana. Ny toerana avo indrindra dia ny volkano Antaninaomby, izay 622 m ny haambony. Fonenan' ny fianakaviana gidro maro izy io, biby izay heverin' ny mponin' ilay nosy ho masina.

Antsoina koa hoe Nosy Ambariovato izay midika hoe "nosy voahodidin' ny vatolampy", voaaron' vato volkanika amin’ ny rano misamboaravoara. Sarona ao anaty ala mikitroka sy matevina izy io, ary misy zavamaniry sy biby maro isan-karazany. Ny tora-pasika tsara tarehy sy ny rivo-piainana tsy misy ahiahy ao aminy dia mahatonga azy ho toerana fitsangatsanganana ho an' izay tia fialam-boly sy toerana ivelan-tanàna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]