Mohammad Mosadegh

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Muhammad Mossadegh)
Mohammad Mosadegh

I Mohammad Mosadegh dia mpanao pôlitika iraniana. Tamin' ny naha shah an' i Mohammad Reza Pahlavi dia praiminisitra indroa tao Iràna izy tamin' ny taona 1951 hatramin' ny 1952, ary tamin' ny taona 1952 hatramin' ny 1953 naharava ny governemanta notarihiny tamin' ny fanonganam-panjakana nataon' i Etazonia sy ny Fanjakana Mitambatra.

Teraka tamin' ny 16 Jona 1882 tao Teheran any Iràna izy ary maty tamin' ny 5 Marsa 196 tao Ahmadabad any Iràna ihany. Nianatra tao amin' ny sekoly fianarana siansa pôlitika (frantsay: Institut des sciences politiques) tany Paris. Nanomboka nanokana ny tenany amin' ny raharaham-pirenena izy nanomboka tamin' ny taona 1906 tamin' ny naha mpiasan' ny Minisiteran' ny Fitantanam-bola azy, saingy nandao ity toerana ity izy mba hianatra lalàna tany Soisa. Nody tany Teheran izy tamin' ny taona 1914 ary nitana toerana samihafa tao amin' ny governemanta. Tamin' ny 1923 sy tamin' ny 1925 dia voafidy ao amin' ny Majlis, Antenimieram-pirenenan' i Iràna, izy.

Tamin' ny taona 1927 dia nanohitra ny fitondrana jadon' i Reza Shah, izay shah ao Iràna izy avy eo niato tsy nanao pôlitika. Nanohy ny asany ara-pôlitika izy tamin' ny taona 1943, rehefa nahazo toerana ao amin' ny Majlis. Vetivety dia lasa mpitarika ny firaisankina parlemanteran' ireo vondrona nasiônalista izy, vondrona izay nanohitra tamim-pahombiazana ny fifanarahana momba ny solitany ho an' ny Firaisana Sôvietika any avaratr' i Iràna. Lasa praiminisitra tamin' ny 29 Avrily 1951 izy, ary naneho fomba fijery henjana manoloana ny fifandonana tamin' i Britaina Lehibe momba ny fakàna an-keriny ny renivolan' ny orinasa Anglo-Iranian Oil Company.

Nipoitra nandritra ny enim-bolana voalohany tamin' ny taona 1953 ny fanoheran’ ny mpomba ny mpanjaka ny governemanta notarihiny, ary tamin' ny 15 Aogositra dia naongan' i Mohammad Reza Shah izy. Nihantsy ny shah i Mossadegh izay nijanona teo amin' ny toerany, raha nandositra kosa i Mohammad Reza Shah. Tamin' ny 19 Aogositra anefa dia nahazo vahana indray ny tafika mpomba ny mpanjaka izay notohanan' ny Central Intelligence Agency (CIA) ka nisambotra azy. Notsarain' ny tribonaly miaramila i Mosadegh ary voaheloka higadra telo taona noho ny famadihana nataony. Nanomboka tamin’ izay dia tsy nandray anjara amin’ ny raharaham-pirenena intsony izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]