Hankany amin'ny vontoatiny

Milionera

Avy amin'i Wikipedia
Ny fanakalozana petrabola NASDAQ, Times Square, New York

Ny milionera dia izay olona manana sanda afa-karatsaka (vola, trano, orinasa, petrabola, sns) na ventim-bola antapitrisany farafakeliny, matetika dolara amerikana na euro. Mety koa hoe manana kaontim-bola na tahirim-bola antapitrisany any amin’ny banky ity olona ity. Araka ny vetim-bola, mitondra voninahitra na haja ny maha-milionera, ary ny tanjon’ny olona sasantsasany dia ny ho lasa milionera, izay tanjona tsy hotratran’ny hafa.[1] Ankehitriny, mitombo ny isan’ny milionera satria mandroso ny toe-karena ankapobe sy nitombo ny harin-karena. Ny fahefa-mividin’ny iray tapitrisa dolara amerikana tamin’ny taona 1959 dia mitovy amin’ny 7,3 tapitrisa tamin’ny taona 2009.[2] Tsy izay ihany, ny teny milionera manoritra hoe ny fananam-bola be. Leonard Beeghley, izay sosiology amerikana, dia mamaritra ireo tokantrano manana sanda afa-karatsaka mihoatra ny iray tapitrisa dolara ireo hoe “mpanankarena”. Tamin’ny taona 2008, nisy olona 10 tapitrisa avy amin’izao tontolo izao voasokajy hoe milionera amin’ny dolara amerikana.[3]

Ny sanda afa-karatsaka mihoatra ny hary ara-bola

[hanova | hanova ny fango]

Ankehitriny, miteraka ady hevitra kely ny fomba famaritan’ny olona ny milionera. Isan’ny iray amin’ireo fepetra roa tena ampiasaina ireo ny sanda afa-karatsaka, izay manisa ny hary rehetra ao amina tokantrano iray ka analanan’ny trosany. Araka ity famaritana ity, izay tokantrano manana trano amin’ny sandany $800.000, fanaka misanda $50.000, fiara anakiroa amin’ny $60.000, kaonty tahiry $60.000, petrabola $45.000, trano fialan-tsasatra $325.000, ary manana findramam-bola ho an’ny trano $250.000, findramam-bola ho an’ny fiara $45.000, sy trosa amin’ny karatra lono $25.000, dia manana sanda afa-karatsaka manodidina ny $1.085.000 ary ny olona tsirairay ao amin’io tokantrano io dia milionera. Kanefa, araky ny fepetra amin’ny hary ara-bola (ampiasain’ny banky arabarotra amin’ny fitsikerana ny tahan’ny risika raisin’ny mpanao petrabola) dia tsy manisa ny sandan’ny trano sy ny hary ao an-trano, ohatra fiarakodia sy fanaka. Noho izany, ny tokantrano tao amin’ny ohatra eto ambony dia manana hary ara-bola $80.000. Hatramin’ny kibolabola ara-trano tamin’ny taona 2007, ny vidin’ny trano tamin’ny faritra sasantsasany tao Etazonia dia nihoatra ny iray tapitrisa dolara, kanefa maromaro ny tompon-trano nanana findramam-bola ho an’ny trano nihoatra ny iray tapitrisa dolara ihany koa, ary ny vokatra izany dia tsy mihoatra ny iray tapitrisa mihitsy ny sanda afa-karatsaky ny olona. Indraindray, mantsy miiba ny sanda afa-karatsakany.

Na dia kely aza ny isanjaton’ny mponina rehetra izay milionera, kanefa manana fifehezana manan-danja ara-toe-karena ary matetika anisan’ireny ny olo-manga sy olona manan-kasina. Eo ihany koa, ny sandan’ny milionera mitambatra dia mitovy amin’ny sandan’ny mahantra maro be mitambatra. Ny anon’i Gini, sy fepetra ara-toe-karena hafa, dia vinavinaina ho an’ny firenena tsirairay ary ampiasaina mba hahalalana hoe firy amin’ny olona mahantra indrindra no manana harena totaly mitovy amin’ny olona vitsy manan-karena indrindra. Manampahaizana momba ny olona manan-karena ny tranom-printy Forbes sy Fortune ary mitazona ny lisitry ny olona manam-bola be indrindra amin’izao tontolo izao. Amin’ny milionera, 16 isan-100 nandova ny volany, 47 isan-100 dia tompona orinasa, ary 23 isan-100 dia mpiasa mahazo karama ambony, indrindraindrindra mpitantana sy mpiasa avo lenta.[4]

Isan’ny milionera amin’izao tontolo izao

[hanova | hanova ny fango]

Isan’ny milionera (eo amin’ny ankavia, isa antapitrisany) sy milionera be (miohatra $30 tapitrisa dolara) (eo amin’ny ankavanana, isa anarivony) Ny « Dinika momban’ny Harenan’Izao Tontolo Izao » dia famelabelarana mikasika ny olona manana sanda afa-karatsaka (afy tsy ny trano fonenany) mihoatra ny iray tapitrisa dolara. Nataon’ny cabinetra mpikaroka Capgemini ity dinika ity ho an’ny banky Merrill Lynch. Araky ny « Dinika momban’ny Harenan’Izao Tontolo Izao » tamin’ny taona 2007, ny edisiona faha-11 dia misy milionera 9,5 tapitrisa ary izy ireo dia manana 37,2 triliona (tapitrisatapitrisa) dolara mitambatra.[5]

Araky ny Spectrum Group ny isan’ny tokantrano amerikana izay manana iray tapitrisa dolara farafakeliny (tsy miaraka amin’ny trano fonenany) tamin’ny taona 2008 izay nitsitotongana dia 2,5 tapitrisa hatramin’ny 6,7 tapitrisa.[6]

Tamin’ny Oktobra 2007 hatramin’ny Febroary 2009 dia notombanana fanakalozana petrabola S&P 500 ary latsaka miohatra 50 isan-jato ny sandany. Avy amin’ny tendrom-bolany tamin’ny jona 2006 hatramin’ny desembra 2010, latasaka 26,7 isan-jato ny sandan’ny trano amerikana. Anisan’ny antony mitombo ankehitriny ny isan’ny milionera ankehitriny amin’izao tontolo izao dia ny hamoran’ny dolara amerikana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Lisitry ny firenena misy ireo olona izay manana sanda afa-karatsaka miohatra ny iray tapitrisa dolara amerikana (taona 2009)

Olona izay manana sanda afa-karatsaka miohatra $1 tapitrisa, taona 2009)[7]
LaharanaFirenenaIsan'ny milionera
-Izao Tontolo Izao10,000,000
1Etazonia Etazonia2,886,200
2Japana Japana1,650,000
3Alemaina Alemaina861,500
4Sina Sina477,400
5Fanjakana Mitambatra Fanjakana Mitambatra383,000
6Frantsa Frantsa280,000
7Kanada Kanada251,300
8Soisa Soisa222,000
9Italia Italia179,000
10Aostralia Aostralia173,600
11Brazila Brazila146,700
12Espaina Espaina143,000
13India India139,835
14Rosia Rosia117,700
15Meksika Meksika70,000
16Norvezy Norvezy54,810

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. Marlys Harris. How to marry a billionaire. Money Magazine. June 21, 2007.
  2. US Inflation Calculator US Inflation Calculator and Rate Charts (1913-current).
  3. David Teather. Richlists. The Guardian. 25 June 2008.
  4. The Economist: A special report on global leaders, "More millionaires than Australians", 22 January 2011, pp. 4-7.
  5. "World Wealth Report 2007 Archived Desambra 7, 2009 at the Wayback Machine."
  6. "."
  7. "World Wealth Report 2010 Archived Aprily 6, 2012 at the Wayback Machine."