Aller au contenu

Mikà (mpaminany)

Avy amin'i Wikipedia
Mitaona ny Israelita hibebaka i Mikà, sary nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

I Mikà na Mika na Mikea dia mpaminany voaresaka ao amin' ny Baiboly. Tany amin' ny tanàna atao hoe Môreseta, ao amin' ny tapany atsimo amin' ny Fanjakan’ i Jodà, no nonenany ary tamin’ ny andron' ny mpanjaka Jôtama sy Ahaza (na Akaza) ary Hezekia (na Ezekiasa) no fotoana nahavelomany.

Atao hoe מִיכָה הַמֹּרַשְׁתִּי / Mīḵā haMmōraštī izay midika hoe "Mikà ilay Môrastita" i Mikà amin' ny teny hebreo., noho izy avy Môreseta-Gata any atsimo andrefan' i Jodà.

Niaina tamin' ny fotoana mitovitovy i Mikà sy i Hôsea ary i Isaia. Nanomboka ny asam-paminaniana izy teo anelanelan' ny taona 737 sy 696 tal. J.K. Nankahala ny fianinana an-drenivohitra izay ahitana karazam-pahotana maro izy sady nanao izay hiverenan' ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ara-tsôsialy. I Mikà dia niasa amin' ny maha mpaminany azy tao amin' ny Fanjakan' i Jodà talohan' ny famaboana ny tananan' i Samaria tamin' ny taona 722 tal. J.K. sady nanatrika ny fandravana nataon' i Sankeriba ny Fanjakan' i Jodà tamin' ny taona 701 tal. J.K.

Nivantana tamin' i Jerosalema indrindraindrindra ny hafany. Naminany ny handravana an' i Jerosalema sy an' i Samaria izy, ny handravana sy ny hanorenana indray amin' ny hoavy ny Fanjakan' i Jodà, ary nanome tsiny ny vahoakan' i Jodà izy amin' ny fangalarany sy ny fanompoan-tsampiny. Naminany ny hahaterahan' ny Mesia ao Betlehema izy.

Sahala amin' i Isaia, i Mikà koa dia nitsikera ny mpisorona nanan-karena sy ny manam-pahefana ary ny mpaminany sandoka izay nahazo ny fahefana sy ny tombontsoa rehetra. Notsikerainy toraka izany koa ny fanararaotan' ny olona ao amin' ny saranga ambony tao Jerosalema sy ny fampiasana ny fivavahana mba hanafenana ny tsy fahamarinana nanjaka teo amin' ny fiarahamonina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]