Katarisma: Fahasamihafan'ny versiona

Aller à la navigation Aller à la recherche
k
tsy misy ambangovangom-panovana
(Sekta kristiana doalista tamin'ny Andro Antenantenany)
 
kAucun résumé des modifications
Ny '''katarisma''' dia fihetsiketsehana [[Doalisma (finoana)|doalista]] ara-pivavahana kristiana nandritra ny [[Andro Antenantenany]] tao [[Eoropa]], indrindra tao amin'ny faritra atsimo ao [[Frantsa]]. Mino ny adin'ny Tsara sy ny Ratsy, izay fampianarana noraisiny tamin'ny manikeisma, ny katarisma; izany dia taratry ny fifangaroan'ny tontolo ara-panahy noforonin'[[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] izay mifanohitra amin'ny tontolo ara-draha noforonin'i [[Satana]]. Tsy miankina loatra amin'ny teolojia ny katarisma satria aminy Andriamanitra dia tsy azo fantarina sady tsy azon-kevitra, ary tsy eto amin'izao tontolo izao. Amin'ny Katara dia miampitampita amin'ny alalan'ny fitaranahan'ny olombelona ny fanahy avy amin'ny olona volalohany, na avy amin'ny fifindran'izany aorian'ny [[fahafatesana]] ao amin'ny zaza vao teraka. Ny [[Fanahy Masina]] irery ihany no afaka manafaka ny fanahy amin'ny tontolo azo tsapain-tanana, ary amin'ny alalan'ny [[batisa]] sy ny fametrahan-tanana azo avy tamin'ireo [[apostoly]] ary nampitain'izy ireo no ahafan'ny fanahy hahazo ny Famonjena. Avy amin'ny fivoasany ny [[Testamenta Vaovao]] izany, indrindra ny [[Evanjelin'i Joany]] sy ny [[Evanjelin'i Lioka]]. Nandika ny Testamenta Vaovao amin'ny [[fiteny oksitàna]] ny Katara tamin'ny taonjato faha-13 nefa tsy nankasitrahin'ny Fiangonana katolika izany.
 
Tsy niantso ny tenany hoe ''Katara'' tsy akory ny mpomba ireo fihetseketsehana ireo, ka betsaka ny mpikaroka no mbola manontany raha tena nisy marina ireo fihetsiketsehana ireo, na dia eken'ny rehetra fa nisy ny ady nataon'ny Fiangonana romana amin'ny [[fampianaran-diso]] izay nifarana tamin'ny fandripahana ny Albigesy tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-13.
 
Avy amin'ny [[teny grika]] hoe καθαρός / ''katharós'', izay midika hoe "madio" izany anarana izany. Io teny io dia nalain'ilay moanina (na monka) atao hoe Eckbert von Schönau tamin'ny taonjato faha-12 avy amin'ny soratr'i Agostino avy any Hipono mba hanondroana ireo mpanaraka fampianaran-diso, ka lasa fantatry ny rehetra amin'ny teny frantsay noho ny fampiasana ny teny avy any Oksitania tamin'ireo taona 1960 ka nasolo ny hoe "fampianaran-diso albigesy" na "albigeisma" na "albigesy" izay nampiasaina kokoa hatreo.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Doalisma (finoana)|Doalisma]]
* [[Bôgômilisma]]
* [[Katarisma]]
* [[Gnôstisisma]]
* [[Markiônisma]]
* [[Paolisianisma]].
29 311

modifications

Meny fitetezana