Doalisma (finoana)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny doalisma dia foto-pampianaram-pivavahana izay milaza ny fiaraha-misin'ny foto-javatra roa maharitra nipoiran'ny tsara sy ny ratsy. Mampifanohitra foto-javatra na andriamanitra roa na antokon'andriamanitra na antokom-panahy roa ny fivavahana doalista ka ny voalohany ipoiran'ny tsara fa ny faharoa kosa ipoiran'ny ratsy. Any am-parany anefa dia mino ny mpivavaka doalista fa horesin'ny fototry ny tsara ny fototry ny ratsy.

Ny mazdeisma, izay nipoiran'ny zoroastrisma, dia mampifanohitra andriamanitra roa, dia i Ahura Mazda sy i Angra Mainyu na Ahriman. Ho an'ny fivavahana zoroastriana, izay doalista nefa manam-pirehana monoteista, dia i Ahura Mazda irery no hany Andriamanitra fa i Ahriman na Angra Mainyu kosa tsy andriamanitra fa fanahy ratsy. Ny zervanisma dia mampifanohitra ny kambana, dia i Ahura Mazda sy i Angra Mainyu, nefa ambonin'ireo i Zurvana (na ny Fotoana) izay ray niteraka azy ireo. Ny manikeisma, izay mampifanohitra ny tsara sy ny ratsy mandrakizay, dia doalista koa. Teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristiana dia doalista ny bogomilisma, ny katarisma, ny gnostisisma, ny markionisma ary ny paolisianisma.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]