Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina

Ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina dia fikambanana marksista-leninista palestiana nateraky ny Hetsika Nasiônalista Arabo niova ho hetsika ara-pôlitika, izay manambatra ny nasiônalisma arabo sy ny marksisma, niorina tamin' ny taona 1967 teo ambany fitarihan' i Georges Habache sy i Ahmed Jibril.

Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe الجبهة الشعبية لتحرير فلسطين / al-Jabhah al-Sha`biyyah li-Taḥrīr Filasṭīn, amin' ny teny anglisy dia Popular Front for the Liberation of Palestine (PFLP) amin' ny teny frantsay dia Front populaire de libération de la Palestine (FPLP).

Ity fikambanana ity dia ao amin' ny lisitra ôfisialin' ny fikambanana mpampihorohoro an' i Israely, an' i Etazonia, an' i Kanada, an' i Aostralia, an' i Vondrona Eorôpeana ary an' i Japàna.

Nanao fakana an-keriny fiaramanidina iraisam-pirenena maro ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina nanomboka tamin' ny taona 1968 niaraka amin' ny sampany mitam-piadiana, ny Katā’ib al-Nasr al-Aḥmar, "Brigadin' ny Voromahery Mena" (izay novana anarana ho Katā'ib Abu ‘Ali Mustafā "Brigadin' i Abou Ali Moustapha"), talohan' ny nandaozany io fanao io tamin' ny 1972.

Ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina teo aloha dia nitady fanohanana avy amin' ireo firenena matanjaka toa ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina sy ireo ao amin' ny Dinan' i Varsovia, avy eo niaraka tamin' ny firenena matanjaka arabo nasiônalista ap amin' ny faritra toa an' i Siria faha Hafez al-Assad, i Iràka faha Saddam Hussein, ary i Libia faha Muammar Gaddafi, na i Iemena Atsimo, izay hany firenena kôminista efa nisy tany amin' ny Tontolo Arabo.

Rehefa nihena io fanohanana io tamin' ny faramparan' ny taompolo 1980 sy 1990 dia nitady mpiara-dia vaovao ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina ary namolavola fifandraisana tamin' ireo Islamista Siita sy vondrona mifandray amin' i Iràna, na dia eo aza ny firaiketam-pon' ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina amin' ny maha laîka sy ny antiklerikalisma (tsy fitiavana ny mpitondra fivavahana) izay mifanohitra tanteraka amin' ny ideôlôjia iraniana ao amin' ny Velayat-e faqih (ولایت فقیه) izay manohitra ny kôminista.

Niovaovaovaova ny fifandraisana misy teo amin' ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina sy ny Repoblika Islamikan' i Iràna – nihamafy izany taorian' ny nandaozan' ny Hamas an' i Iràna noho ny tsy fitovian' ny fiheverana momba ny Ady an-trano siriana. Nomen' i Iràna valisoa ny Mandatehezam-Bahoaka ho Fanafahana an' i Palestina noho ity fikambanana ity mpomba an' i Bachar el-Assad tamin' ny fampitomboana ny fanampiana ara-bola sy ara-tafika.