Aller au contenu

Lavabody

Avy amin'i Wikipedia
Lavabodin' olombelona

Ny lavabody, ao amin' ny biby mampinono, ny biby tsy manana hazondamosina ary ny ankamaroan' ny trondro, dia lavaka ivelany amin' ny vatana izay eo amin' ny fiafaran' ny fantsona fandevonan-kanina (tsinay), izany hoe ny farany mifanohitra amin' ny vava. Ny asany dia ny manamora ny famoahana ny faika tavela aorian' ny fandevonan-kanina (vainga, ranoka, etona).

Fivoaran' ny lavabody

Ny zavatra ao anaty tsinay mandalo amin' ny lavabody dia ahitana etona (hetotra) sy ny tay izay somary mivaingana, izay ahitana:

  • zavatra tsy levona toy ny taolana, ny volo, ny voan-javamaniry mafy ary ny poti-bato fandevonan-kanina (miankina amin' ny karazam-biby);
  • sakafo sisa tavela aorian' ny fanesorana ny otrikaina azo levonina;
  • zavatra voatelina izay mety misy poizina raha mijanona ao amin' ny fantsona fandevonan-kanina;
  • zavatra avy amin' ny fahasimban' ny sela mena tao amin' ny afero (miloko mavo);
  • ary sela maty na bakteria tafahoatra avy amin' ny tsinay sy zavamananaina hafa nivelona tao amin' ny vatana na tao amin' ny sela sasany.
Firan' ny lavabody

Ny fandalovan' ny tay amin' ny lavabody dia fehezin' ny hozatry ny hidim-body amin' ny ankapobeny, ary ny tsy fahatazomany an' izany dia kilena na aretina mila fitsaboana.

Ny sahona sy ny ny mitovitovy aminy, ny biby mandady na mikisaka ary ny vorona dia ahitana lavaka mitovitovy amin' izany izay ampiasainy amin' ny famoahana ny faika mitsiranoka sy mivaingana, amin' ny firaisana ara-pananahana ary amin' ny fanatodizana. Misy lavabody izay manana fomba fiasa toy izany koa ny biby mampinono manatody (toy ny ôrnitôrinka). Manana lavaka tokana ahafahany mamoaka ny vainga sy ny ranoka ny biby manana kitapo an-kibo (toy ny kangaroa), nefa manana fivaviana mitokana ho an' ny fananahana ny vavy. Manana lavaka misaraka tanteraka ho an' ny famoahana tay sy ny famaniana ary ny fananahana ny vavin' ny biby mampinono misy tavony; ny lahy kosa dia manana lavaka iray hivoahan' ny fivalanana ary iray hafa ho an' ny famaniana sy fananahana, na dia saika misaraka tanteraka aza ny fantsona mankany amin' ity lavaka ity.

Teny malagasy[hanova | hanova ny fango]

Teny malagasy maromaro no anondroana ny lavabody: masontay, masompory, haoky. Marihina fa ny hoe fory dia ilazana koa ny lavabody na ny fitombenana any amin' ny faritra sasany eto amin' ny Nosy, nefa manondro ny fivaviana na ny taovam-pananahan' ny vehivavy. izany amin' ny faritra maro kosa, anisan' izany ny ao afovoan-tany. Ao Toliara, ohatra, dia ilazana ny fitombenana ny hoe fory (araka ny hita amin' ity fehezanteny ity "Mba be fory koa aja iny").