Aller au contenu

Hazondamosina

Avy amin'i Wikipedia
Hazondamosin' ny olombelona

Ny hazondamosina dia fitambarana taolana misy loaka mitohitohy lava manaraka ny lamosina sy manenjana ny tapany ambony amin' ny tenan' ny biby manana azy mba hijoro. Manohana ny lamosin' ny biby misy hazondamosina izy. Eo aminy no iraiketan' ny taolan-tehezana sy ny taolan-tsoroka ary ny taola-maoja ipetahan' ny taolan-drantsambatana. Manana anjara asa telo izy: mihazona ny fitsanganana ka manohitra ny herin' ny vesatry ny vatan' ny biby manana azy; ahafahan' ny loha sy ny vatana hihetsika; ary fiarovana ny tsokan-damosina ao anatiny.

Amin' ny olombelona dia manohana ny loha izy sady mampita ny vesatry ny vatana mankany amin' ny valahana izay mampita izany amin' ny tonon-taolan' ny andilana. Fitambarana vanin-taolana efatra amby roapolo izy io: taolam-bozona fito, taolana manandrify ny tratra roa ambin' ny folo ary taolana manandrify ny valahana dimy. Miampy taolana dimy izay mitambatra mba hanome ny taolam-body (telo ka hatramin' ny fito amin' ny biby efa-drantsam-batana hafa) ary taola-madinika telo ka hatramin' ny dimy (miankina amin' ny karazam-tsirairay) mitambatra ao anaty taolan-tendrom-body, izay hita ao amin' ny biby efa-drantsam-batana sasany, anisan' izany ny soavaly. Ny hazondamosina dia mibiloka fa tsy mahitsy.