Aller au contenu

Fitombenana

Avy amin'i Wikipedia
Vodin-dehilahy

Ny fitombenana na vody dia vonga-nofo roa somary boribory amin' ny faritra aoriana amin' ny valahana fahita amin' ny ankamaroan' ny biby mampinono, indrindra amin' ny olombelona sy amin' ny rajako ary ny amboanala sasany. Ao amin' ny olombelona, ​​ny vody dia eo anelanelan' ny tapany ambany amin' ny lamosina sy ny elakelam-pe. Ahitana tavy ambany hoditra izy ireo.

Ny ilam-body roa dia sarahan' elanelana toa vaky izay midina ka miafara amin' ny lava-body. Iray amin' ny toetra mampiavaka ny biby roa tongotra amin' ny ankapobeny ny vody, ary indrindra ny olombelona: raha ny marina, ny fijoroana no mahatonga ny hozatra ambony aoriana amin' ny fe handray io endrika mivohitra miavaka io; amin' ny biby hafa, ny hozatry ny vody dia tsy misongadina noho ny zoro miforona eo anelanelan' ny fe sy ny lamosina. Ny endrika fenon' ny hozatra ao amin' ny vody dia manamora ny fipetrahana, izay mampiavaka ny ankamaroan' ny olombelona sy ny rajako ary ny amboanala sasany.

Ao amin' ny kolontsaina maro, ny vody dia manana anjara toerana amin' ny fanintonana ara-nofo. Kolontsaina maro koa no mikendry ny vody amin' ny fanasaziana ara-batana, satria miaro amin' ny ratra ny tavy ambanin' ny hoditry ny vody nefa tsy midakana ny fanaintainana.