Tay

Avy amin'i Wikipedia
Tain-tsoavaly

Ny diky na tay dia manana endrika sy fiseho isan-karazany, miankina amin'ny taovam-pandevonan-kanina rehetra, ny karazan-kanina sy sakafo ary ny fahasalamana. Amin'ny ankapobeny dia mivaingana ny tay. Mety misy vaingany mafimafy, maina kokoa eny amin'ny tendrony.

Vao manomboka any ankibo ny olombelona dia efa mamorona tay.

Fangarony[hanova | hanova ny fango]

Miankina betsaka amin'ny fomba fisakafoana ny fangaron'ny tay.

Ny 75% ao aminy dia rano. Mety miova io salan'isa io ; rehefa marary kibo (mivalana) dia be kokoa ny rano ao amin'ny tay. Ny olona lava tsinay koa dia mamoaka tay maina kokoa. Ny 25% fanampiny dia mitsinjara toy izao : 1/3 (na 1/12 ny totaliny) dia bakteria maty, 1/3 dia hanina tsy levona, 1/3 zavatra hafa (mila fanazavana).

Ny fanariana ny tay[hanova | hanova ny fango]

Olana hatramin'ny ela ny famoahana ny tay (fahadioavana, fofona). Ny Indiana no nampiasa voalahany hy kabone. Tany amin'ny taona 2500 ta. J.K no nahitana taratra ny fampiasana azy tany amin'ny Romana, ny Egiptiana ary ny Sinoa.

Ny sivilizasiona nifandimby dia nahatsapa fa miteraka olona eo amin'ny fiarahamonina ny tay raha tsy ariana, satria miteraka aretina sy biby kely isan-karazany (kankana, lalitra, kadradraka). Anisan'ny manandanja lehibe eo amin'ny fanabeazana any amin'ny tany mandroso io resaka io.

Hatrany amin'ny faran'ny taonjanto faha XIX, ny olana dia ny fanalana ny tay teo amin'ny faritra fonenana. Ny fomba nahazatra dia ny fampiasana ny lakandrano na ny dobo mba hanariana ny maloto. Mbola olana be io any amin'ny faritra mijaly amin'ny rano. Rehefa niamaro isa anefa ny mponina dia tsy maintsy nitady fomba hafa hanariana ny tay ny manam-pahaizana.

lava-piringa maina[hanova | hanova ny fango]

Ny lava-piringa maina dia nanomboka nampiasana tamin'ity taonjato faha XXI ity. Ampiasana amin'izany ny taim-bakona aloha sy aorian'ny fampiasana ny lava-piringa. Ampy hitroka ny fofona io. Ilay fitatazana ny tay dia afaka mihetsika fa tsy miraikitra ka afaka ampiasana io amin'ny fambolena na ny fandrehetana afo. Ny tombony azo aminy, ankoatry ny fampiasana ny maloto izay tokony ariana, dia ny tsy fampiasana rano mihitsy.