Aller au contenu

Tsinay

Avy amin'i Wikipedia
Tsinain' olombelona

Ny tsinay dia ampahany amin' ny fantsom-pandevonan-kanina, izay manampy amin' ny fandevonana ny sakafo sy amin' ny fampitana ny otrikaina ho any amin' ny ra sy ny sisa amin' ny vatana. Ity ampahany amin' ny sy fitaovam-pandevonan-kanina ity dia manomboka amin' ny fivoahan' ny vavony ka hatrany amin' ny lavabody.

Ao amin' ny olombelona sy ny ankamaroan' ny biby mampinono dia mizara roa antsoina hoe tsinaikely sy tsinaibe ny tsinay. Io no ampahany amin' ny vatana miantoka ny fampidirana otrikaina avy amin' ny sakafo ho ao amin' ny ra. Ny tsinay salama dia sakana amin' ny mikrôba sasany, saingy azon' ny otrikaina idirana. Izy no toerana misy mikrôba betsaka (mikrôbiôtan' ny tsinay).