Kerintôsy

Avy amin'i Wikipedia

I Kerintôsy na Kerinto dia anisan' ny Gnôstika voalohany, izay nalaza ho mpampianatra finoan-diso, raha ny fahitan' ny Rain' ny Fiangonana na Aban' ny Eglizy voalohany azy. Amin' ny teny grika dia atao hoe Κήρινθος / Kērinthos izy. Niana teo anelanelan' ny taona 50 sy 100 taor. J.K. izy. Nifanohitra tamin' ny Rain' ny Fiangonana izy satria nampiasa ny filazantsara na evanjely amin' ny narany (Filazantsaran' i Kerintôsy) izy, ary nandà ny filazana fa ilay Andriamanitra Fara Tampony no nanao izao tontolo azo tsapain-tananana izao. Ao amin' ny fivoasana nataon' i Kerintôsy dia nidina teo amin' i Jesosy na Jesoa tamin' ny fanaovam-batisa azy i Kristy ary nitarika ny asa fanompoana nataony sy ny fanaovana fahagagana, fa nandao azy teo amin' ny fanomboana azy. Toy izany koa dia nilaza tamin' ny Ebiônita izy fa tsy natera-birjiny i Jesoa, fa olona fotsiny ihany, naterak' i Maria sady zanak' i Jôsefa ara-batana koa.

Ny lovantsofina kristiana tany am-boalohany dia mamaritra an' i Kerintôsy ho mpiara-belona sy mpanohitra an' i Joany Evanjelista, (na Jaona Evanjelista) izay heverina fa nanoratra ny Taratasy voalohan' i Joany sy ny Taratasy faharoan' i Joany mba hampitandrina ireo izay tsy dia matotra amin' ny finoana sy amin' ny foto-pampianarana momba ny fanovana nataon' i Kerintôsy tamin' ny filazantsara tam-boalohany. Araka ny loharanom-baovao kristiana tany am-boalohany dia nanoratra manokana ny filazantsarany ny Apôstôly Joany na Jaona mba hanoherana ny fampianaran' i Kerintôsy.

Ny zavatra rehetra fantatra momba an' i Kerintôsy dia avy amin' ny asasoratr' ireo mpanohitra ara-teôlôjia azy.