Filazantsaran' i Kerintôsy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Filazantsaran' i Kerintôsy na Evanjelin' i Serinto dia filazantsara very nampiasain' i Kerintôsy (na Kerinto na Serinto) sy i Karpôkratesy (na Karpôkraty). Araka ny voalazan' i Epifaniôsy dia filazantsara jiosy na filazantsara gnôstika mitovy amin' ny Filazantsaran' ny Ebiônita izy io ary toa endriky ny Filazantsaran' i Matio misy nanesorana.