Karpôkratesy

Avy amin'i Wikipedia

I Karpôkratesy avy any Aleksandria na Karpôkraty avy any Aleksandria dia mpanorina ny sekta gnôstika tany am-boalohany tamin' ny tapany voalohan' ny taonjato faha-2, fantatra amin' ny anarana hoe Karpôkratiana. Atao hoe Καρποκράτης ήταν αλεξανδρινός / Karpokratêsy êtan aleksandrinos izy amin' ny teny grika. Toy ny tamin' ny sekta gnôstika maro, ny Karpôkratiana dia tsy fantatra afa-tsy amin' ny alalan' ny asasoratry ny Rain' ny Fiangonana, indrindra i Ireneo avy any Logdanoma sy i Klemento avy any Aleksandria. Satria nanohitra mafy ny fampianaran' ny Gnôstika ireo mpanoratra ireo, dia misy ny fanontaniana momba ny fitongilanana manaratsy rehefa mampiasa io loharano io. Na dia tsy mitovy amin' ny antsipiriany sasany aza ny loharano isan-karazany momba ny Karpôkratiana, dia mitovy hevitra ny amin' ny libertinisman' ilay sekta izy ireo, izany dia fiampangana mazàna ataon' ny mpanompo sampy amin' ny Kristiana ary ataon' ny Kristiana amin' ny mpanompo sampy sy ny heretika.