Kedarita

Avy amin'i Wikipedia
Faritra nisy ny Kedarita tamin' ny taonjato faha- tal. J.K.

Ny Kedarita dia fikambanam-pokom-pirenena arabo mpifindrafindra monina tamin' ny Andro Taloha manodidina an' i Dumat al-Jandal renivohiny ao amin' ny Faritanin' i Al-Jawf. Atao hoe مملكة قيدار izy ireo amin' ny teny arabo.

Voamarim-pisiana izy ireo hatramin' ny taonjato faha-9 tal. JK, ny Kedarita dia namorona fanjakana matanjaka izay nanitatra ny fizaràn-taniny nandritra ny taonjato faha-9 ka hatramin' ny taonjato faha-7 tal. JK ka nandrakotra toerana midadasika any amin' ny faritra avaratra amin' i Arabia manomboka any Transjôrdania any andrefana ka hatrany amin' ny sisin-tany andrefan' i Babilônia any atsinanana, talohan' ny nifindrany niankandrefana nandritra ny taonjato faha-6 ka hatramin' ny taonjato faha-5 tal. JK ka nitambatra ho fanjakà-panjaka iray manomboka amin' ny sisin-tany atsinanan' ny Vinanihefak' i Nily (na Vinanihefak' i Neily) any andrefana ka hatrany Transjôrdania any atsinanana ary mandrakotra ny ankamaroan' ny faritra atsimo amin' i Jodea (na Jodia), any Negev ary any amin' ny Saikinosin' i Sinay.

Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantaran' ny Ampiposahana sy Arabia Avaratra ny Kedarita, izay nifandray akaiky tamin' ny fanjakana kananita sy arameana maro teo akaiky, ary lasa mpandray anjara lehibe tamin' ny varotra zava-manitra fanao sakafo sy hanitra nohafarana avy any Arabia Atsimo mankany amin' ny faritry ny Tsinambolana Lonaka sy ny Tontolo Mediteraneana. Nandray anjara tamin' ny fifamatorana am-pirahalahiana sy tamin' ny ady amin' ireo fanjakana matanjaka tany Mesôpôtamia toy ny Empira Neô-Asiriana sy ny Empira Neô-Babilôniana ny Kedarita, tamin' ny farany dia lasa tafiditra tao anatin' ny rafitry ny Empira Akemenida Persiana. Nifandray akaiky tamin' ny Nabateana ny Kedarita, ka nety ho voatelin' izy ireo tamin' ny farany.

Ny Kedarita koa dia nisongadina ao anatin' ny soratra masin' ny fivavahana abrahama, izay ahitana azy ireo ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny Kor'any amin' ny maha-taranak' i Qedar, faharoa amin' ny zanak' i Ismaela, zanak' i Abrahama. Ao amin' ny lovantsofina silamo dia misy manam-pahaizana milaza fa ny mpaminany silamo Moḥamady dia taranak' i Ismaela tamin' ny alalan' i Qedar.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Baiboly hebreo, ny Kedarita dia antsoina amin' ny teny hebreo hoe קֵדָ֥ר / Qēḏār (fa ao amin' ny Baiboly amin' ny teny grika kosa dia atsoina hoe Κηδάρ / Kēdár), midika hoe "mainty" sy "matroka" noho ny lokon' ny lain' izy ireo.