Negev

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny Tany efitr' i Negev.

I Negev na Negeb dia faritra karankaina any Israely, mahafaoka ny antsasany atsimo amin' ilay firenena sady mahatratra 13 000 km2. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe הַנֶּגֶב / han Négev; fa amin' ny teny arabo kosa dia ٱلنَّقَب / an-Naqab.

Miendrika telolafy i Negev ka ny tendrony iray dia eo amin' ny serana-tsambon' i Eilat ao amin' ny Hoalan' i Aqaba. Mizara ho faritra efatra izy: ny lemaka amorontsiraka ao avaratra-andrefana, ny lembalemba afovoany, ny faritra be tebndrombohitra ao atsimon' ny tapany atsimo ary ny lohasaha ao atsinanana. Ny rotsak' orana dia latsaky ny 250 mm isan-taona.

Tany efitr' i Negev.

Ny lemaka amorontsiraka rakotra fifangaroana potika koaritsa sy taniditra ary vatosokay nentin-drivotra dia lonaka ihany raha itarihana rano. Nanomboka tamin' ny taona 1964 dia natomboka ny tambajotram-pitarihan-drano izay maka rano ao amin' ny Farihy Tiberiada (na Tiberiasy). Volena ao ny ôrza sy ny varimbazaha ary ny voasary isan-karazany. Ahitana fôsfaty, varahina, taniditra, brôma ary etona voajanahary ny ao.

Ny tanàn-dehibe any dia i Beer-Sheva ao avaratra sy i Eilat ao amin' ny Hoalan' i Aqaba. Nisy koa ny fananganana kibbutzim maro ka ny voalohany dia naorna teo antenatenan' ny taompolo 1940 ary ny fananganana azy ireo dia nihafaingana taorian' ny famoronana ny Fanjakan' i Israely tamin' ny taona 1948.