Transjôrdania (faritra)

Avy amin'i Wikipedia

I Transjôrdania dia faritra any atsinanan' ny Lohasahan' i Jordana sy ny lemaka manodidina ny Ranomasina Maty ary ny lemaka manodidina an' i Araba. Hatreo amin’ ny Tendrombohitra Hermon any avaratra ka hatrany amin’ ny Hoalan' i Akaba (na Eilat) any atsimo izy. Faritra iray manana ny laha izy azy any Jôrdania ankehitriny izy io.

Antsoina hoe "tany ampitan’ i Jordana" izy ao amin’ ny Baiboly. Tao no nonenan’ ny antsasaky ny fokon' i Manase sy ny fokon' i Gada ary ny fokon' i Robena. Nandritra ny Andron' ny Vy dia nofehezin’ ny Fanjakan' i Amôna sy ny Fanjakan' i Môaba ary Fanjakan' i Edôma ilay faritra. Tamin’ ny andron’ ny mpanjaka tao Israely dia teo ambany fahefan’ ny Fanjakan' i Samaria izy, nefa resin’ i Hazaela, mpanjakan' i Arama-Damaskôsy, izay nandresy an’ i Jeho, mpanjakan' i Samaria.