Kajara

Avy amin'i Wikipedia
Ny Fanjakana Kajara tamin' ny taona 1900.

Ny Kajara dia fianakavia-mpanjaka iraniana (persiana) manam-piavana torka, izay avy ao amin' ny foko kajara, izay nanapaka an' i Iràna tamin' ny taona 1789 hatramin' ny taona 1925. Atao hoe سلسله قاجار‎ / Selsele-ye Qājār izy amin' ny teny persana. Nanapaka an' i Iràna manontolo ny Kajara tamin' ny taona 1794, rehefa nanongana an' i Lotf 'Ali Khan, ilay shah farany avy amin' ny dinastia Zanda, ka nanamafy ny fiandrianam-pirenen' i Iràna sy ny fahefany amin' ny ampahany lehibe amin' i Kaokazy. Tamin' ny taona 1796 dia naka tanànan' i Mashhad mora foana i Mohammad Khan Qajar, ka nanapitra ny fanjakan' ny dinastian' ny Afsarida. Tamin' izay no nametrahana an' i Mohammad Khan ho shah taorian' ny ady famaizana nataony tamin' ny Jeôrjiana fehezin' i Iràna. Tao Kaokazy dia nihavery tsikelikely ny tanin' i Iràna nofeheziny ny Kajara tamin' ny ady nifanandrenany tamin' ny Rosiana nandritra ny taonjato faha-19, ka isan' izany i Jeorjia sy i Dagestàna sy i Azerbaijana ary i Armenia.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiantombohany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1796, taorian' ny fionganan' ny fianakavia-mpanjaka Zanda sy ny Afsarida, i Agha Mohammad Khan ao amin' ny fianakaviana Kajara no nanjaka tokana tao Iràna. Tsy ela taorian' izay (taona 1797) anefa dia novonoin' ireo mpanompony izy. Satria tsy nanan-janaka izy dia i Fath-Ali Shah izay zanaky ny iray tampo aminy no nandimby azy. Ny fanjakan' i Fath-Ali Shah dia nitrangan' ny fahaverezan-tany taorian' ny ady nifanaovany tamin' ny Rosiana tamin' ny taona 1804-1813 sy tamin' ny taona 1826-1828. Maty tamin' ny taona 1834 i Fath-Ali ka ny zafikeliny no nandimby azy, dia i Mohammad Shah.

Ireo shah nifandimby[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny fanjakany tsy naharitra ela dia niezaka nanavao ny tafika iraniana i Mohammad Shah ka naka indray ny tanànan' i Herat. Na dia izany aza dia tsy nahomby ny ezaka nataony. Maty tamin' ny faha-40 taonany izy tao amin' ny lapa Mohammadieh tamin' ny taona 1848. Ny zanany Naser al-Din Shah no niakatra teo amin' ny fitondrana. Nanapaka nandritra ny 50 taona izy, ka izy no mpanjaka fahatelo lava fanapahana teo amin' ny tantaran' i Iràna, aorian' i Shapur II sy i Tahmasp I. Maro ny zava-nitranga nandritra izany faharetan' ny fanapahany izany, toy ny ady maro nifanaovany tamin' ny Empira Britanika, ny fikomian' ny mpanaraka ny babisma, ny ny fanomoana an' i Amir Kabir, sns.

Taorian' ny fahafatesan' i Naser al-Din Shah dia i Mozaffar ad-Din Shah no niakatra teo amin' ny seza fiandrianana. Tamin' ny fitondrany no nitrangan' ny Revôlisôna Iraniana voalohany, dia ny revôlisiôna momba ny lalàmpanorenana. I Mozaffar ad-Din Shah no mpanjaka (shah) maty farany tao Iràna. I Mohammad Ali Shah Qajar no nandimby an-drainy tamin' ny taona 1907. Noravany ny Antenimiera ka nambarany fa foana ny lalàmpanorenana ka nandatsahany baomba ny Majles (Antenimiera filankevitra silamo). Na dia izany aza dia nandao ny fitondrana izy taorian' ny fandresen' i Teheran nataon' ireo mpomba ny tafika mpomba ny lalàm-panorenana izay namerina indray izany lalàmpanorenana izany.

Taorian' ny fandaozan' i Mohammad Ali Shah Qajar ny fitondrana tamin' ny taona 1909 dia ny zanany Ahmad Shah izay mbola 6 taona no napetraky ny Majles teo amin' ny seza fiandrianan' i Iràna. Tamin' ny fitondrany no nisian' ny Ady Lehibe Voalohany ka nanambara izy fa tsy mandray anjara amin' ny ady i Iràna. Na dia izany aza dia tsy nahasakana ny tafika britanika izany ka be ny tanin' i Iràna nobodoin' ny Britanika, izay niteraka mosary lehibe tamin' ny taona 1917-1919 sy ny fahafatesan' ny Iraniana miisa 2 tapitrisa any ho any.

Fiafarany[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny fanonganam-panjakana persiana tamin' ny taona 1921 dia i Reza Pahlavi no nanapaka an' i Iràna. Nandao an' i Iràna i Ahmad Shah noho ny tsy fahasalamany tamin' ny taona 1923, ka nifarana teo ny fanapahan' ny dinastia kajara tamin' ny taona 1925 ary tamin' izany koa no nisandratan' ny dinastian' ny Pahlavi, izay nahatonga ny diany ho lasa sesitany. Maty tany Paris izy tamin' ny taona 1930.

Lisitr' ireo andriamanjaka nifandimby[hanova | hanova ny fango]

Ireto ireo nifandimby nanapaka:

  • Agha Mohammad Shah (1786 – jona 1797)
  • Fat'h Ali Shah (jona 1797 – 23 ôktôbra 1834)
  • Mohammad Shah (23 ôktôbra 1834 – 4 jolay 1848)
  • Naser al-Din Shah (4 jolay 1848 – 1 jona 1896)
  • Mozaffar ad-Din Shah (1 jona 1896 – 8 janoary 1907)
  • Mohammad Ali Shah (8 janoary 1907 – 16 jolay 1909)
  • Ahmad Shah (16 jolay 1909 – 31 ôktôbra 1925)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia: