Dinastia zanda
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny fianakavia-mpanjaka Zanda, izay avy amin'ny fanjakana kordo-persana, dia nanapaka an'i Iràna tamin'ny 1750 hatramin'ny taona 1794. Atao hoe زندیان / Zandiān izy ireo amin'ny teny persana. I Karim Khan Zand, izay nitondra voalohany an'i Iràna atsimo sy afovoany tamin'ny taonjato faha-18, no nanorina an'io dinastia io. Taty aoriana dia niitatra izany ka nahasahana ny ampahany lehibe amin'ny sisa amin'i Iràna ankehitriny, toraka izany koa i Azerbaijàna sy i Bareina ary ampahany sasany amin'i Iràka sy i Armenia.
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
Ireo fianakavia-mpanjaka nanapaka tany Persia:
- Empira akemenida (550-330 tal. J.K.)
- Empira helenistika seleokida (330-124 tal. J.K.)
- Fanjakan'ny Arsakida (247 tal. J.K - 224 taor. J.K.)
- Empira sasanida (224-651 taor. J.K.)
- Diastia safavida (1501-1736 taor. J.K.)
- Dinastia afsarida (1736-1796 taor. J.K.)
- Dinastia zanda (1751-1794)
- Dinastia kajara (1785-1925 taor. J.K.)