Julien Razafimanazato

Avy amin'i Wikipedia
Julien Razafimanazato
Ankapobeny
Anarana Julien Razafimanazato
Teraka 7 Jolay 1968
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena  Madagasikara
Karazana Malagasy
Asa : Mpampianatra amin'ny Oniversite
Asa hafa Mpanao politika
Fiainana manokana
Seha-pitiavana vady

Julien Razafimanazato dia olo-manga Malagasy teraka tamin'ny 7 Jolay 1968 tao Mandritsara[1]. Izy no minisitra fanabeazam-pirenena tamin'ny fitondrana tetezamita Andry Rajoelina tamin'ny taona 2009 hatramin'ny 2011. Manana asa hafa koa izy, mpampianatra amin'ny Oniversite.

Biôgrafia[hanova | hanova ny fango]

I Razafimanazato Julien, manambady ary manana zanaka telo, avy amin'ny foko tsimihety, zanaka mpampianatra izy.

Fianarana[hanova | hanova ny fango]

Tany amin'ny faritra sofia no nianarany voalohany, ary nanohy fianarana tamin'ny Oniversite Fianarantsoa sy Antananarivo. Tao anatin'ny tontolo siantifika ny sehatra fianarana nataony, ireto avy ny dingana noratoviny :

Ary mbola nanohy fianarana tany ivelany, tany amin'ny Oniversite Paris VII, Paris 1 Panthéon-Sorbonne ary Paris XI.

Politika[hanova | hanova ny fango]

Minisitra[hanova | hanova ny fango]

Voatendry minisitra[3] fanatanjahatena sy ny tanora nanomboka ny volana martsa hatramin'ny septambra, taorian'izany voatendry minisitra fanabeazam-pirenena[4] izy tamin'ny taona 2009 hatramin'ny taona 2011 tao anatin'ny governemantan'i Monja Roindefo izany.

Antoko politika[hanova | hanova ny fango]

Nanorina antoko politika antsoina hoe Eto Sehatry ny Daholobe (ESD) na Espace de Solidarité pour le Développement amin'ny teny frantsay, tanjona dia entina hirotsaka mpifaninana fifidianana filohampirenene ny taona 2013[5].

Fifidianana filoham-pirenena taona 2013[hanova | hanova ny fango]

Sopitra[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. http://fifidianana.com/2013/10/22/julien-razafimanazato-candidat-n37/ Archived Oktobra 6, 2015 at the Wayback Machine
  2. https://www.linkedin.com/pub/julien-razafimanazato/43/1b2/191
  3. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2015-09-24. Retrieved 2015-08-09.
  4. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2010-01-16. Retrieved 2015-08-09.
  5. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2016-03-04. Retrieved 2015-08-09.