Joasy (mpanjakan'i Jodà)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Joasy na Joasa dia zanak'i Ahazia na Okoziasa mpanjakan'i Jodà sady mpanjakan'i Jodà koa nandritra ny efapolo taona tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-9 tal J.K. sy tamin'ny fanombohan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. taorian'ny fionganan'ny mpanjakavavy Atalia. Tsy afangaro amin'i Joasy na Joasa mpanjakan'i Israely izay nitovitovy fotoana niainana aminy i Joasy na Joasa mpanjakan'i Jodà.

Atao hoe יְהוֹאָשׁ / Yehôʾāsh na יוֹאָשׁ Yôʾāsh izy amin'ny teny hebreo, fa ᾿Ιωὰς / Ioàs kosa amin'ny teny grika ary Ioas amin'ny teny latina. Ny hoe יְהוֹאָשׁ / Yehôʾāsh dia midika hoe "nomen'i Iahveh" "nomen'ny Tompo".

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]