Joahaza (mpanjakan'i Jodà)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Joahaza)
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Joahaza na Joakaza dia mpanjakan'i Jodà nandimy an'i Josia (na Josiasa) rainy tamin'ny taona 609 tal J.K. tamin'ny faha-23 taonany. Telo volana monja no nanjakany[1]. Mpiara-belona taminy ny mpaminany Jeremia.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Ny Tanakh (Baiboly hebreo) dia miantso azy hoe יְהוֹאָחָז / Yehoakhaz. Ny Septoajinta (Baiboly amin'ny teny grika) dia manoratra hoe Ιωαχαζ / Iôakhaz ary ny Volgata manoratra hoe Ioachaz. Ny Baiboly protestanta malagasy no ahitana ny hoe Joahaza fa ny Baiboly katolika malagasy kosa manoratra hoe Joakaza.

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny nahafatesan'i Josia dia ny zanany faralahy, izay atao hoe Saloma ao amin'ny Bokin'i Jeremia (Jer. 22.11), dia nasandratry ny fivoriamben'ny vahoaka ho mpanjaka. Araka ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.32) sy ny Bokin'i Jeremia (Jer. 22.15-16) dia tsy niraharaha ny fanavaozam-pivavahana nataon'i Josia rainy izy. Telo volana taorian'ny fanendrana azy dia nosamborin'ny farao Nekao II izy ka nogadrainy. Ny zokiny atao hoe Eliakima, lahimatoan'i Josia, no notendrena hisolo azy sady niova anarana hoe Joiakima na Joakima (hebreo: Yehôyaqîm)[2] fa izy kosa nataon'i Nekao sesitany tany Egipta (2Mpanj. 23.31-34) ary maty tany (2Mpanj. 23.34)[3].

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Kautzsch, E. "Jehoahaz", The New Scaff-Herzog Encyclopedia of Religious Knowledge, Vol.IV, Samuel Macauley Jackson (ed.), Baker Book House, Grand Rapids, Michigan (1953)
  2. Encyclopédie Larousse du XXe siècle, Paris, 1932
  3. Philip J. King, Jeremiah: An Archaeological Companion (Westminster John Knox Press, 1993), page 20.