Aller au contenu

Henan' omby

Avy amin'i Wikipedia
Henan' omby

Ny henan' omby dia anaran' ny sakafo avy amin' ny omby (Bos taurus). Azo atao amin' ny fomba samihafa ny fahandroana henan' omby; azo atao ny manapatapaka na ny mitoto (manapotika) ny hena. Misy prôteinina sy vy ary vitaminina B12 ny henan' omby. Sahala amin' ny karazana hena mena hafa dia mety hahavoan' ny homamiadan' ny tsinaibe sy ny tsinaimbody (fa tsy ny lava-body) sy aretin' ny lalandra mpanely ra (avy ao amin' ny fo) ny fihinanana be loatra henan' omby, indrindra rehefa voahodina ny hena. Misy fiantraikany lehibe eo amin' ny tontolo iainana ny henan' omby, satria avy aminy no mahatonga ny fandripahana ala sy ny fandefasana etona mampihiboka hafanana avo indrindra amin' ny vokatry ny fiompiana sy ny fambolena ary ny fanjonoana rehetra.

Nihaza ombidia aorôka (Bos primigenius) ny olombelona ​​​​tamin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara, ary namolaka azy hompiana tatỳ aoriana. Nanomboka tamin' izay fotoana izay dia karazana omby maro no nompiana manokana noho ny hatsaran' ny henany na noho ny habetsahan' izany. Ny henan' omby no hena fahatelo be mpihinana indrindra eran-tany amin' izao fotoana izao, aorian' ny henan-kisoa sy ny henanan' akoho amam-borona. Tamin' ny taona 2018 dia i Etazonia sy i Brezila ary i Sina no mpamokatra henan' omby be indrindra.

Mandrara ny fihinanana henan' omby ny fivavahana sy ny kolontsaina sasany, indrindra fa ny fivavahana indiana toa ny hindoisma. Manohitra ny famonoana biby koa ny Bodista, nefa tsy manana foto-pampianarana momba ny sakafo voarara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]