Aller au contenu

Hebrôna

Avy amin'i Wikipedia
Hebrôna

I Hebrôna dia tanàna palestiniana ao amin' ny tapany atsimon' i Jôrdania Andrefana, 30 km atsimon' i Jerosalema. Atao hoe الخليل / al-Khalīl na خَلِيل الرَّحْمَن / Khalīl al-Raḥmān izy amin' ny teny arabo, fa חֶבְרוֹן / Hevron kosa amin' ny teny hebreo.

Any amin' ny Tendrombohitra Jodea no misy azy, 930 m ambonin' ny haavon' ny ranomasina. Izy no tanàna lehibe indrindra any Jôrdania Andrehana, ary tanàna faharoa lehibe indrindra amin' ny fari-tany palestiniana, aorian' i Gaza, misy mponina palestiniana mihoatra ny 215 000 (taona 2016) sy mponina jiosy 700 monina indrindra amin' ny sisin' ny tanànan' i Hebrôna taloha. Ahitana ny Zohin' ny Patriarka, izay toeram-pandevenana ny patriarka malaza sy ny vadiny, araka ny lovantsofina jiosy sy kristiana ary silamo, ny ao. Matetika io tanàna io no heverina ho anisan' ireo tanàna masina efatra ao amin' ny jodaisma sy amin' ny finoana silamo.

I Hebrôna dia heverina ho anisan' ireo tanàna tranainy indrindra ao Ampiposahana. Araka ny Baiboly, i Abrahama dia nanorim-ponenana tao Hebrôna ary nividy ny Lavabaton' ny Patriarka ho fandevenana an' i Saraha vadiny. Milaza ny lovantsofina ao amin' ny Baiboly fa nalevina tao amin’ ilay lavabato ny patrarka Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, niaraka amin’ ny vadin' izy ireo Saraha sy Rebeka ary Lea. Ekena ao amin’ ny Baiboly koa fa i Hebrôna dia toerana nanosorana an’ i Davida ho mpanjakan’ i Israely. Taorian' ny fahababoana tany Babilôna ​dia nanorim-ponenana tao Hebrôna ny Edômita. Nandritra ny taonjato voalohany taor. J.K. i Herôda Lehibe dia nanorina ny manda izay mbola manodidina ny Lavabaton' ny Patriarka, izay lasa fiangonana tatỳ aoriana, ary avy eo dia lasa môskea. Ankoatra ny fifehezana fohy nataon' ny mpanao Kroazada, dia nitondra an' i Hebrôna ny tarana-mpanjaka mozilmana nifandimby nanomboka tamin' ny taonjato faha-6 taor. J.K. mandra-paharavan' ny Empira Ôtômana taorian' ny Ady Lehibe I, rehefa lasa anisan' i Palestina teo ambany fiahian' ny Britanika ilay tanàna. Nisy vono olona tamin' ny taona 1929 sy ny fikomian' ny Arabo tamin' ny taona 1936–1939 izay nitarika ny fifindra-monin' ny vondrom-piarahamonina jiosy avy any Hebrôna. Ny Ady Arabo-Isiraeliana tamin' ny taona 1948 dia nahatonga an' i Jôrdania Andrefana manontolo, anisan' izany i Hebrôna, nobodoin' i Jôrdania sady nampidiriny ho anisan' ny taniny, ary hatramin' ny Ady Enina Andro tamin' ny taona 1967 dia teo ambany fibodoan' ny miaramila israeliana ilay tanàna. Taorian’ ny fibodoana isiraeliana dia tafaverina tao amin’ ilay tanàna ny Jiosy. Nanomboka tamin' ny Fifanarahana tao Hebrôna tamin' ny taona 1997, ny ampahany be amin' ny i Hebrôna dia nofehezin' ny Fahefana Palestiniana.

Matetika ilay tanàna dia lazaina ho "mikrôkôsma" amin' ny ady eo amin' ny Israeliana sy ny Palestiniana sy ny fibodoana israeliana an' i Jôrdania Andrefana. Ny Fifanarahana tao Hebrôna tamin' ny taona 1997 dia nizara an' ilay tanàna ho sehatra roa: ny H1 nofehezin' ny Fahefana Palestiniana, sy ny H2, eo amin' ny 20 % amin' ny tanàna, anisan' izany ny Palestiniana miisa 35 000, eo ambany fitantanan' ny miaramila israeliana. Ny fandaminana ny fiarovana rehetra sy ny fahazoan-dàlana ho an' ny mponina ao an-toerana dia ifandrindran' ny Fahefana Palestiniana sy i Israely amin' ny alalan' ny fitantanan' ny tafika israeliana an' i Jôrdania Andrefana. Manana ny filan-kevi-pitantanany manokana ireo Jiosy mpifindra monina, dia ny Komitin' ny Fiarahamonina Jiosin' i Hebrôna.

Ankehitriny, i Hebrôna no renivohitry ny Governôratan' i Hebrôna, izay governôrata lehibe indrindra ao amin' ny Fanjakan' i Palestina, izay tombanana hisy mponina 782 227 tamin' ny taona 2021. Toerana be atao amin' ny varotra ao Jôrdania Andrefana izy, ka miantoka eo amin' ny ampahatelon' ny harin-karena faobe ao amin' ilay faritra, indrindra noho ny fivarotana vatosokay avy amin' ny fitrandrahana ao amin' ny faritra misy azy. Malaza eo an-toerana izy amin' ny voaloboka, ny aviavy, ny vatosokay, ny taozavatra amin' ny tanimanga ary ny orinasa mpamokatra tavoangy sy fitaratra. Ity tanàna tranain’ i Hebrôna ity dia ahitana arabe tery miolikolika, trano vato mitafo tafo marindrano, ary bazary tranainy. Ity tanàna ity no misy ny Oniversiten' i Hebrôna (Hebron University) sy ny Oniversite Pôliteknikan' i Palestina (Palestine Polytechnic University).