Hakitroka
Ny hakitroka, amin' ny ankapobeny, dia ny habetsahan' ny singa isaky ny ventin-kalava, isaky ny ventim-belarana, isaky ny ventin-kadiry na isaky ny ventin-danja.
Amin' ny fizika, ny hakitroka dia habe tsy misy refy, faritan' ny tahan' ny lanja isam-bentin-kadirin' ny zavatra iray amin' ny an' ny zavatra iray hafa iaingana amin' ny fampitahana. Amin' ny ankapobeny dia refesina amin' ny lanja isam-bentin-kadirin' ny rano madio, amin' ny maripana 4 °C (na 3,98 °C raha ny marina kokoa), ny hakitroky ny ranoka sy ny vainga (hakitroka miohatra amin' ny rano); ho an' ny etona dia ny rivotra amin' ny maripana 20 °C no atao fiaingana amin' ny fampitahana (hakitroka miohatra amin'ny rivotra). Raha latsaky ny 1 ny hakitroky ny zavatra iray dia kely kokoa noho ny an' ny zavatra iaingan' ny fampitahana ny hakitrony; raha mihoatra ny 1 dia lehibe kokoa ny hakitrony. Raha rano no akora iaingana dia mitsingevana ao anaty rano ny akora manana hakitroka latsaky ny 1. Ohatra, mitsingevana ny ranomandry izay manana hakitroka 0,91 eo ho eo. Hilentika ny akora manana hakitroky mihoatry ny 1. Tsy maintsy faritana ho an' ny santiona sy ny akora iaingana hatao fanondroana ny maripana sy ny tsindry. Manakaiky 1 atm (101 325 Pa) hatrany ny tsindry. Raha tsy izany, dia mahazatra kokoa ny mamaritra mivantana ny lanja isam-bentin-kadiry.
Amin' ny jeôgrafia, ny hakitroky ny mponina dia ny salan' isan' ny mponina monina ao amin' ny ventim-belaran-tany iray, ka ny venty ampiasana amin' izany dia ny "mponina isaky ny kilômetatra toradroa" (mp/km2).
Tsy ireo ihany no sehatra ampiasaina ny teny hoe "hakitroka" fa maro: ao amin' ny elektrônika (ohatra: hakitroky ny rian' aratra), ao amin' ny matematika (ohatra: hakitroky ny vina), sns.
Hakitroky ny metaly fampiasa vitsivitsy
[hanova | hanova ny fango]Metaly | Eva | Hakitroka |
---|---|---|
Volamahery | Pt | 21,45 |
Volamena | Au | 19,3 |
Volavelona | Hg | 13,56 |
Firamainty | Pb | 11,35 |
Volafotsy | Ag | 10,5 |
Bismota | Bi | 9,82 |
Varahina | Cu | 8,96 |
Nikela | Ni | 8,27 |
Vy | Fe | 7,87 |
Firapotsy | Sn | 7,29 |
Fanitso | Zn | 7,1 |
Titanina | Ti | 4,4−4,5 |
Viraty | Al | 2,7 |
Maneziôma | Mg | 1,43 |
Sôdiôma | Na | 0,97 |