Aller au contenu

Bismota

Avy amin'i Wikipedia
Santionana bismota.

Ny bismota dia singa simika manana laharana atômika 83 sy fantatra ami 'ny eva Bi. Izy no singa fahadimy sy farany amin' ny vondrona pniktôzenina (vondrona n°15). Izy dia misy poizina saingy kely kokoa noho ny an' ny firamainty izay nosoana azy noho izany amin' ny fampiasana sasany. Tsy manana anjara asa fantatra ho an' ny vatan' ny zavamananaina izy. Tsy dia misy firy loatra ao amin' ny biby izy, tsy voadinika firy ny ny kinetikany ao amin' ny tontolo iainana sy ny ao amin' ny zavamananaina (tsy toy ny metaly mavesatra hafa).

Ny bismota dia azo ampitahaina ara-teôria amin' ny fôsfôro P sy amin' ny antimoanina Sb ary amin' ny arsenika As, izay anisan' ny vondrona 15, sy amin' ny firapotsy Sn ary amin' ny firamaity Pb, izay ao amin' ny vondrona 14. Mampiseho fironana mitombo amin' ny famoronana solfiora marin-toerana fa tsy ôksida ny singa mifanarakaraka ao amin' ny vondrona 15 (azôta na nitrôzenina N, fôsfôro P, arsenika As, antimoanina Sb ary bismota): ny bismota dia kalkôfilika (izany hoe hita matetika miaraka amin' ny solifara).