Aller au contenu

Friedrich Schleiermacher

Avy amin'i Wikipedia
Friedrich Schleiermacher
Ankapobeny
Anarana Friedrich Schleiermacher
Teraka 21 Novambra 1768
Maty 12 Febroary 1834
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Alemaina
Asa :
Fiainana manokana

I Friedrich Schleiermacher na Friedrich Daniel Ernst Schleiermacher dia teôlôjiana prôtestanta sy filôzôfy alemàna teraka tamin' ny 21 Nôvambra 1768 tao Breslau na Wrocław (Pôlônia) ary maty tamin' ny 12 Febroary 1834 tao Berlin (Alemaina).

Teôlôjia

[hanova | hanova ny fango]

I Schleiermacher dia nampiditra ao amin' ny Lahateny nosoratany ny hevitra fa ny foto-pampianarana dia tsy fahamarinana nambaran' Andriamanitra, fa fandrijana ataon' ny olombelona momba ny fahatongavan-tsainy momba an' Andriamanitra. Aminy, ny fihetseham-po ara-pivavahana dia tsy fahalalana na fitondran-tena, fa ny fahatongavan-tsainy anaty sy eo no ho eo momba ny "tsy manam-petra" izay iankinan' ny olombelona tanteraka. Izany no antsoina hoe mistisisma "sopranatoralista" (ambonin' ny ara-boajanahary).

Noho izany, i Schleiermacher no niandohan' ny "teôlôjian' ny fihetseham-po" izay niteraka resabe izay nifanandrenany tamin' ny foto-pampianarana hegeliana.

Ny teôlôjian' i F. Schleiermacher sy ny "filôzôfian' ny natiora" an' i F.W. Schelling, taty aoriana, dia nampivelatra, ao amin' ny rômantisma alemàna, ny fironana hikaroka ny halalin' ny fanahin' olombelona. Fitsanganan' ny firehana mistika sy pietista ary pantheista izay efa maty izany.

Hermeneotika

[hanova | hanova ny fango]

I Schleiermacher no tena mpanorina ny hermeneotika môderina, raha karazana filôzôfia no tiana holazaina amin' izany (fa tsy ny fandalinana ny lahatsoratry ny Baiboly). Izany dia fanomeza,a ny hermeneotika ny satan' ny fahaizana ankapobeny momba ny fandikana hevitra izay ahafahana manolotra amin' ny fahasahiranana atrehan' ny fandikan-teny amin' ny fiteny sy ny tsikera ara-kaisoratra ary ny famakafakana ny Baiboly ho toerana iraisan' ny fahatakarana sy ny fisian-dikany.

Ny mpandika teny dia tsy maintsy mikatsaka ny fahatakarana mandra-pidonany amin' ny tsy fisian-dikany amim-pahafantarana fa tsy ho tonga amin' ny dikany feno mihitsy izy. Asa tsy manam-petra ny fanakaran-kevitra. Amin' ny ankapobeny, ny lahatsoratra rehetra dia azo takarina; ny fahatakarana dia ampahany ihany, noho ny tsy fanatrehan' ny mpanoratra, noho ny fihalaviran' ilay lahatsoratra vokatry ny fandikan-kevitra efa nisy nanome, noho ny fiheverana ny zavatra miavaka ao amin' ilay lahatsoratra atohy amin' ny tontolon' ny fiteny sy ny kolontsaina ary ny tantara izay nitarika ny fanoratana azy.

Zavakanto ny fandikan-kevitra fa tsy siansa satria sarotra ny manasaraka ny faharakarana tsara sy ny fahatakarana ratsy. Tsy manondro ny fomba fiasa amin' ny fahatakarana izany fa mikendry ny hamoha toe-tsaina natao hanontany ny dikan' ny hoe fahatakaran-kevitra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.