Fokon'i Dana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

Ny fokon'i Dana dia iray amin'ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely.

I Dana[hanova | hanova ny fango]

I Dana (hebreo: דָּן, / Dan) dia zanaka fahadimin'i Jakoba tamin'i Bila mpanompovavin'i Rahely vadiny. I Hosima no anaran'ny zanany lahy.

Ny anjara tanin'ny fokon'i Dana[hanova | hanova ny fango]

Ny tanin'ny fokon'i Dana dia hodidinin'ny tanin'i Benjamina sy ny an'i Joda ao atsinanana, ny tanin'i Joda ao atsimo, ny an'i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana.


Olona isan'ny fokon'i Dana[hanova | hanova ny fango]

Isan'ny fokon'i Dana i Manoa sy i Samsona, ilay mpitsaran'i Israely[1].

Anisan'ireo fokon'i Israely nanjavona[hanova | hanova ny fango]

Fahababoana asiriana[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. dia isan'ny Fanjakan'i Samaria na Fanjakan'i Israely ny fokon'i Dana ka isan'ny nataon'ny Asiriana sesitany (manontolo na ampahany) tamin'ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin'ireo fokon'i Israely sivy hafa.

Ny Samaritana[hanova | hanova ny fango]

Samaritana eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.

Nanomboka tamin'ny taonjato faha-3 tal. J.K. fara-fahatarany dia nisy vahoaka atao hoe Samaritana nonina ao amin'ny faritry ny Fanjakan'i Samaria taloha izay milaza fa taranak'ireo foko folo tao amin'io faritra io. Ny Israelitan'i Jodea (na Jodia, izay atao hoe Jodà talohan'io fotoana io), dia ireo atao hoe Jiosy ankehitriny, dia tsy nanaiky izany ka nilaza fa taranaky ny Asiriana nonina tao Samaria izy ireo satria aminy dia nanjavona tsy hita ny fokon'i Dana sy ireo sivy hafa izay nonina tao amin'ny Fanjakan'i Samaria. Ny jodaisma ortodoksa amin'izao fotoana izao koa dia miombon-kevitra amin'izany.

Ny Falasha[hanova | hanova ny fango]

Vehivavy Beta Israely ao Israely.

Ny telo amin'ireo fokon'i Israely, isan'izay i Dana, dia heverina, araka ny lovantsofina, fa nandositra ao Afrika, ao Nobia. Tamin'ny taonjato faha-15 dia nilaza ilay Jiosy egiptiana, dia ny Radbaz (Rabbi David ben Zimra, 1462–1572), fa ireo Falasha (na Beta Israel) ao Etiopia dia avy amin'ny fokon'i Dana. Ilay raby sefaradan'i Israely, i Ovadia Yossef, dia nanohy ny petra-keviny tamin'ny taona 1973[2] ka nahatonga ny Falasha heken'ny Fanjakana israeliana amin'izao fotoana izao ho isan'ny Jiosy tamin'ny taona 1975.

Ny fokon'i Dana araka ny literatiora kristiana[hanova | hanova ny fango]

Tsy isan'ireo foko voatanisan'ny Apokalipsin'i Joany (Apo. 7.4-8) ny fokon'i Dana nefa manonona an'i Manase ho isan'ireo foko resahiny. Mety noho ny sasany tamin'izy ireo nanompo sampy no nahatonga izany[3]. Nanatsoa-kevitra noho izany ny Rain'ny Fiangonana sasany (Ireneo[4] sy Hipolito avy any Roma) sy ny Milenarista sasany fa io foko io no hivoahan'ny Antikristy[5] [6].

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Galpaz-Feller, Pnina. Samson: the hero and the man, Peter Lang, 2006. ISBN 3-03910-852-2, ISBN 978-3-03910-852-7. p. 278-282
  2. "Ideology, policy, and practice: education for immigrants and minorities in Israel today", Devorah Kalekin-Fishman. Springer, 2004. ISBN 1-4020-8073-5, ISBN 978-1-4020-8073-9. p. 274
  3. "King, cult, and calendar in ancient Israel: collected studies", Shemaryahu Talmon. BRILL, 1986. ISBN 965-223-651-9, ISBN 978-965-223-651-7. p. 97
  4. Irenaeus, Against Heresies, Book V, Chapter XXX, paragraph 2.
  5. "Understanding Dan: an exegetical study of a biblical city, tribe and ancestor", Mark W. Bartusch. Continuum International Publishing Group, 2003. ISBN 0-8264-6657-5, ISBN 978-0-8264-6657-0. p. 4
  6. "The Oxford Handbook of Eschatology", Jerry L. Walls. Oxford University Press, 2010. ISBN 0-19-973588-3, ISBN 978-0-19-973588-4. p. 371