Fiteny soreta

Avy amin'i Wikipedia

Ny fitny soreta na fiteny arameana vavaovao avaratra-atsinanana (amin' ny fiteny siriaka: ܣܘܪܬ), izay fantatra koa indaindray aminhy anarana hoe fiteny asiriana na fiteny kaldeana, dia fitenim-paritry ny fiteny arameana.tenenin' ny vahoaka asiriana. Ity fiteny ity dia fiteny semitika ampiasain' ny Kristianina sy ny vondrona asiriana-kaldean-siriaka sy vondrom-poko ao Iràka, ao Iràna, ao Siria ary ao amin' ny tapany atsimo-atsinanana amin' i Torkia.

Mbola ampiasain' ny Jiosy any amin' ny lemak' i Ninive sy any Kordistana irakiana izay nifindra monina any Israely teo anelanelan' ny taona 1949 sy 1952 koa ity fiteny ity. Miova ny isan' ny mpiteny azy, any amin' ireo faritra ireo sy maneran-tany, araka ny mpanao tombana, eo anelanelan' ny 500 000 sy 2 tapitrisa.

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Ny tany nipoiran’ io fiteny io dia any amin' ny tapany avaratry ny Tsinambolana Lonaka (indrindra ao tapany avaratra amin' i Iràka sy tapany avaratra amin' i Siria, ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna, ary faritra atsimo-atsinanana amin' i Torkia). Ny olona rehetra mampiasa io fiteny io (na ity fitenim-paritra ity), na aiza na aiza misy azy (Amerika, Eorôpa, Aostralia, Afovoany Atsinanana, sns.), dia afaka manao ny razambeny ho any avaratr' i Mezôpôtamia taloha (izany hoe any avaratr' i Iràka ankehitriny), ny ivon' ny Empira Asiriana fahiny izay nanao an’ i Ninive ho renivohitra: ny teny hoe sureth, izay avy amin' ny hoe assurit, dia midika hoe "Asiriana".

Fivoarany[hanova | hanova ny fango]

Ity faritra ity dia nitrangan' ny korontana sy fanafihana maro, indrindra nataon' ny Persiana (Ariana) sy Arabo ary Tiorka.

Tsy mitovy amin' ny fiteny akadiana (voasoratra amin' ny tarehin-tsoratra miendri-pantsika ary azo vakina amin' izao fotoana izao) ny fiteny soreta. Ny fiteny akadiana, izay fiteny semitika atsinanana, dia toa nanjavona amin’ ny maha fiteny velona azy taonjato maro tal. J.K. ary voasoloin’ ny fiteny arameana, izay fiteny semitika ao amin' ny vondrona "andrefana" (toy ny fiteny hebreo sy ny fiteny fenisiana), ka manerana an' i Mezôpôtamia izany.

Ny fiteny soreta dia nindrana singa maro dia maro tamin' ny fitenin' ny mpanafika nandritra ny taonjato maro (Persiana, Arabo, Tiorka). Ohatra, ny fitaisana matoanteny soreta dia niharan' ny fitenin' ny Ariana, ary manana toerana manokana ao anatin' ny fianakaviam-piteny semitika, tsy mitovy amin' ny an' ny fiteny arabo sy ny fiteny hebreo.

Na izany aza, ny faritra midadasikay ny Empira Asiriana fahiny dia nipoiran’ ny fitenim-paritra tena samihafa teo isan-toerana, izay tsy nisy fifankahazoan-kevitra teo amin’ ny samy mpiteny azy. Anisan' ireo fitenim-paritra ireo, ny fiteny aramianan' ny Baiboly, ny fiteny soretan' i Iràna, ny fiteny arameana samaritana, ny fiteny mandeana, ny fiteny siriaka klasika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]