Fiteny gora

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny gora, izay nantsoina taloha hoe fiteny vôltaîka, dia sampam-piteny iray ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley. Misy any amin' ny fitopolo ny fiteny ao amin' ity vondrona ity. Ao Sahel sy ao amin' ny faritra misy hivoka ao Afrika Andrefana no ahitana ny mpiteny azy ireo: ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Benîno, ao Borkina Fasô, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Kôtidivoara, ao amin' ny tapany avaratr' i Ganà, ao amin' ny tapany atsimon' i Malỳ, ao Nizera, ao Nizerià ary ao amin' ny tapany avaratr' i Tôgô no monina ny mpiteny azy ireo.