Aller au contenu

Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

Avy amin'i Wikipedia
Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy

Ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy na FPMA dia fiangonana prôtestanta malagasy miorina any Frantsa, mampiray ny Kristiana malagasy monina any ivelany, avy amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny Fingonana Loterana Malagasy (FLM), izay nahazo izany anarany izany tamin' ny taona 1959[1]. Mpianatra tany Frantsa no nannorina azy tamin' io taona io. Tamin' ny taona 1963 izy vao neken' ny fitondram-panjakana frantsay ho ara-dalàna. Ao Paris no misy ny foibeny. Ity fiangonana ity no fiangonana protestanta miteny malagasy lehibeindrindra any Frantsa, naorin' ny mpifindra monina avy aty Madagasikara. Atao hoe Eglise Protestante Malgache en France izy amin' ny teny frantsay, fa Malagasy Protestant Church in France amin' ny teny anglisy ary Madecassiche Protestantische Kirche in Frankreich amin' ny teny alemana.

Manana paroasy na fitandremana 39 izy[2] ary misy mpino 8 000 ka anisan' izany ny 6 000 vita batisa sy ny 4 000 mpandray ny fanasan' ny Tompo. Ny Katekisman' i Heidelberg, ny Fanekem-pinoana Apôstôlika, ny Fanekem-pinoana Atanaziana ary ny Fanekem-pinoana Niseana no fanekem-pinoana ôfisialiny[3]. Nanomboka tamin' ny taona 1999 izy dia mpikambana feno ao amin' ny Communion mondiale d'Églises réformées[4].

Fandaminana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy dia fiangonana mampiray ny Kristianina malagasy monina any ivelany, indrindra any Frantsa, avy amin' ny fiangonana malagasy roa ao amin' ny Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM), dia ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) sy ny Fingonana Loterana Malagasy (FLM) izany.

Faritany sy tafo ary sampana

[hanova | hanova ny fango]

Faritany sy tafo

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho faritany (régions) enina[1] (izay mitsinjara ho "tafo" maromaro) ny FPMA, ka ireto avy izany[5]:

  • ny FPMA Faritany Avaratra Atsinanana (ahitana tafo enina: FPMA Strasbourg, FPMA Nancy, FPMA Mulhouse, FPMA Troyes, FPMA Dijon, ary FPMA Reims);
  • ny FPMA Faritany Avaratra Andrefana (ahitana tafo dimy: FPMA Lille, FPMA Caen, FPMA Amiens, FPMA Creil, ary FPMA Rouen);
  • ny FPMA Faritany Afovoany Andrefana (ahitana tafo enina: FPMA Paris, FPMA Athis Fanatenana, FPMA Nantes, FPMA Poitiers, FPMA Tours, ary FPMA Rennes);
  • ny FPMA Faritany Afovoany Atsinanana (ahitana tafo sivy: FPMA Grands Champs, FPMA Vato Fehizoro, FPMA Fihobiana, FPMA Fahazavana, FPMA Ivry, FPMA Melun, FPMA Cergy, FPMA Arago, ary FPMA Orléans);
  • ny FPMA Faritany Atsimo Andrefana (ahitana tafo efetra: FPMA Bordeaux, FPMA Toulouse, FPMA Montpellier, ary FPMA Clermont Ferrand);
  • ny FPMA Faritany Atsimo Atsinanana (ahitana tafo enina: FPMA Aix-Marseille, FPMA Saint-Etienne, FPMA Grenoble, FPMA Lyon, FPMA Annemasse, FPMA Nice).

Ahitana sampana maromaro ny ao amin' ity fiangonana ity, dia ny Sampana Tanora Kristiana, ny Sampana Tily, ny Sampana Fifohazana, ny Antoko Mpihira FPMA, ny Sekoly Alahady, ny Sampana Zava-maneno, ny Sampana Vehivavy Kristiana, ary ny Sampana Lehilahy Kristiana[1].

Synoda Lehibe

[hanova | hanova ny fango]

Ny Synoda Lehibe izay tanterahina isaky ny roa taona no fahefana fara tampony amin' ny rafitra samihafa misy ao amin' ny FPMA. Mivory amin' ny alalan' ny fiantsoan' ny Birao Foibe ny Synoda Lehibe mba handray fanapahan-kevitra momba ny fitantanana ara-bola sy ny fitantanana ny fananana ao amin' ny FPMA[1][6]. Izany Synoda izany dia ahitana:

  • ny mpikambana ao amin' ny Komity Maharitra;
  • ny filohan' ny fitandremana FPMA tsirairay;
  • ny filohan' ny Fiaraha-mivavaka FPMA tsirairay avy;
  • ny mpitandrina rehetra mpikambana ao amin' ny fikambanan' ny mpitandrina FPMA;
  • ny filohan' ny vaomiera nasionaly tsirairay na ny solontenany.

Komity Maharitra

[hanova | hanova ny fango]

Manana Komity Maharitra mitantana azy izay mivory indroa isan-taona ny FPMA. Izany komity izany dia mivory rehefa antsoin' ny Birao Foibe mba handinika ny lohahevitra ao anatin' ny laha-dinika mahakasika ny fiainam-piangonana ao anaty[1][6]. Ity komity ity dia ahitana:

  • ireo filoham-boninahitry ny FPMA;
  • ny mpikambana ao amin' ny Birao Foibe;
  • ny mpitandrina miandraikitra ny faritany tsirairay;
  • ny filohan' ny faritra tsirairay;
  • ny solontena isaky ny fitandremana mifandray amin' ny FPMA ivelan' i Frantsa;
  • ny filohan' ny seksiona iombonana nasionaly tsirairay na ny solontenany;
  • ny filohan' ny departemanta nasionaly tsirairay na ny solontenany;
  • ny filohan' ny Pastoraly na ny solontenany;
  • ny talen' ny tetikasan' ny Fiangonana na ny solontenany;
  • ny talen' ny tetikasa laika na ny solontenany;
  • ny mpanamarin-kaonty;
  • ny vahiny nasaina izay anatin' ny lisitra novolavolain' ny Birao Foibe.

Ny Birao Foibe

[hanova | hanova ny fango]

Ny Birao Foibe no rafitra mpanatanteraka sy mpitantana ny FPMA. Ny mpikambana ao dia fidin' ny Synoda Lehibe hiasa mandritra ny roa taona[6]. Ny Birao Foibe dia ahitana:

  • ny filohan' ny FPMA (mpitandrina synodaly);
  • filoha lefitra pasitera iray;
  • filoha lefitra laika iray;
  • sekretera mpanatanteraka (laika) iray;
  • mpitahiry vola (laika) iray; mpitantana ara-bola (laika) iray;
  • mpanolo-tsaina (mpitandrina) iray.

Fikambanana

[hanova | hanova ny fango]

Mpikambana ao amin' ny Fiombonan' ny Fiangonana Protestantga eto Madagasikara (FFPM) sy ao amin' ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ny FPMA. Mpikambana ao amin' ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana Malagasy any Frantsa (FFKM-France), miaraka amin' ny Aumônerie Katolika Malagasy sy ny Anglikana koa izy[1].

Mpikambana ao amin' ny Lutheran World Federation (LWF), ao amin' ny Alliance réformée mondiale (ARM), ao amin' ny Konferenz Europäischer Kirchen (KEK), ary ao amin' ny Fédération protestante de France[1].

Taompolo 1950 sy 1960

[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka taoriana kelin’ ny Ady Lehibe Faharoa ny tantaran' ny Fiangonana Protestanta Malagasy, tamin' ny fananganan' ny miaramila nandray anjara tamin' izany ady izany vondrom-bavaka amin' ny teny malagasy tany Montpellier (Frantsa) tamin' ny taona 1946[7]. Tamin' ny taompolo 1950 dia nisy vondrona niforona tany Lyon, Marseille, Toulouse ary Grenoble[8].

Tamin' ny taona 1953, ny fihaonambe iraisan' ny misiona dia nanapa-kevitra ny handefa mpitondra fivavahana (aumônier) ho an' Prôtestanta malagasy any Frantsa, nitombo be ny isan' ny tanora nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa sy ambaatonga ambony tany Frantsa[8].

Tamin' ny volana Avrily 1959, ny pasitera aumonier Daniel Ralibera dia niantso fivoriambe (fivorian' ny Synoda voalohany) namory ny solontenan' ny vondrona efa misy tao amin' ny foibe ao Villemétrie (Frantsa) - trano akaikin' i Senlis izay nampidramin' ny fianakaviana Boissonnas ho ana fikambanana protestanta ho an' ny fandalinana sy fikarohana. Niafara amin' ny fijoroana ôfisialin' ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA) ilay fivoriambe[7][9], ka i Michelson Ramanankasina no lany ho filohan' ny FPMA voalohany. Tamin' ny taona 1960 ilay fiangonana no nankatoavin' ny FJKM sy ny FLM ho fiangonana misolo tena azy ireo any Frantsa. Lasa mpikambana ao amin' ny FFPM izy tamin' io taona io. Tamin' ny volana Marsa 1963 ny FPMA no nametraka ny sata mifehy azy sy nanambara ny fisiany amin' ny fomba ôfisialy tany Frantsa[7].

Taompolo 1970 hatramin' ny taompolo 2000

[hanova | hanova ny fango]

Nambara amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny FPMA tamin' ny tana 1963. Tamin' ny taona 1979 no lasa mpikambana mpiara-miasa ao amin' ny Fédération protestante de France (FPF) ny FPMA[7][10][11]. Nahazo ny fahaleovan-tenany ny FPMA tamin' ny taona 1996, araka ny fanapahan-kevitry ny Komity Protestanta tao Antsirabe. Tamin' ny taona 1998 no nivoaka ny Lalàmpanorenana na Foto-dalàna vaovaon' ny FPMA. Tamin' io taona io ihany no lasa mpikambana ao amin' ny Lutheran World Federation (LWF) ilay fiangonana ary tamin' ny taona 1999 koa no niditany ho mpikambana ao amin' ny Alliance réformée mondiale (ARM)[7].

Tamin' ny taompolo 2010 hatramin' izao fotoana izao

[hanova | hanova ny fango]

Lasa mpikambana ao amin' ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ny FPMA tamin' ny taona 2004. Mpikambana feno ao amin' ny Fédération protestante de France (FPF) ilay fiangonana nanomboka tamin' ny taona 200. Tamin' ny taona 2008 no nidirany ho mpikambana ao amin' ny Alliance nationale des églises lutheriennes de France (ANELF). Nankalaza ny faha-50 taonany tany Nanterre ny FPMA tamin' ny taona 2009[7].

Nanana trano fiangonana enina ny FPMA tamin' ny fotoana nananganana azy. Tamin' ny taona 2020 izy dia nanana paroasy na fitandremana 39 sy vondrom-bavaka maro miparitaka manerana ny faritany 6. Ny ankamaroan’ ny tanàna lehibe any Frantsa dia ahitana fotoam-pivavahana protestanta amin' ny teny malagasy karakarain' ny FPMA. Efa ahitana azy io koa ny any amin' ny fizaràn-tany ampitan-dranomasin' i Frantsa, indrindra ny atsy amin' ny nosy La Réunion nanomboka tamin' ny taona 2002[12]. Nankalaza ny jobily faha 60 taona nisiany ny FPMA tamin' ny taona 2019[13].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. 1,0 1,1 1,2 1,3 1,4 1,5 et 1,6 "Fifohazana - Fiangonana Rrotestanta Malagasy aty Andafy", fifohazana-fpma.org
  2. "L'Église FPMA France Archived Septambra 24, 2015 at the Wayback Machine". FPMA Paris. [Arsiva].
  3. "Address data base of Calvinist churches and institutions Archived Novambra 29, 2023 at the Wayback Machine". reformiert-online.net.
  4. www.wcrc.ch/node/164 (Arsiva tamin' ny 8 Aogositra 2012, ao amin' ny Wayback Machine)
  5. "FPMA sy rohy samihafa", fpma-tours.fr
  6. 6,0 6,1 et 6,2 "Structure de la FPMA" [Arsiva], fpma.church.
  7. 7,0 7,1 7,2 7,3 7,4 et 7,5 "Histoire de la FPMA" (Arsiva), fpma.church
  8. 8,0 et 8,1 Aubert Rabenoro, Chrétien d'outre-mer en Europe, Karthala, 2000, p. 122
  9. Aubert Rabenoro, Chrétien d'outre-mer en Europe, Karthala, 2000, p.123
  10. Claire Bernole, « Madagascar : une délégation protestante pour les 200 ans du christianisme », Réforme,‎ 18 octobre 2018 (Arsiva)
  11. Sébastien Fath, « Protestantisme malgache : à la découverte des "bergers" », Fil-info-francophonie,‎ 19 novembre 2014 (Arsiva)
  12. "Région et Tafo" [Arsiva], fpma.church.
  13. "Lettre mensuel Septembre 2019 Archived Martsa 3, 2020 at the Wayback Machine", Mensuelle,‎ septembre 2019 (Arsiva)