Aller au contenu

Konferenz Europäischer Kirchen

Avy amin'i Wikipedia

Ny Konferenz Europäischer Kirchen (KEK) na Conference of European Churches (CEC) na Conférence des Églises européennes (CEE) dia fikambanana ekiomenika kristiana izay mampivondrona fiangonana eorôpeana maro, niorina tamin' ny taona 1959 mba hampiroboroboana ny fampihavanana sy ny fifanakalozan-kevitra ary ny fisakaizana eo amin' ny fiangonana any Eorôpa amin' ny fotoana nitomboan' ny fifanolanana ara-pôlitika tamin' ny vanim-potoan' ny Ady Mangatsiaka.

Ity fiombonana ity, amin' ny fanomezan-tokiny ho an' i Eorôpa amin' ny ankapobeny, dia mikatsaka ny hanampy ny fiangonana eorôpeana hanavao ny fiainany ara-panahy, hanamafy orina ny fijoroany ho vavolombelona sy ny asa fanompoana iombonana ary hampiroborobo ny firaisan' ny Fiangonana sy ny fandriam-pahalemana eto amin' izao tontolo izao.

Ny KEK dia fiombonan' ny fiangonana miisa 114, ka misy amin' ireo ny ôrtôdôksa, ny prôtestanta, ny anglikanina ary ny katôlika tranainy, avy amin' ny firenena rehetra any Eorôpa, miampy fiombonam-piangonana isam-pirenena sy fikambanana 40 miara-miombona antoka. Ny KEK dia manana ny biraony any Brussel (any Belzika).