Aller au contenu

Fédération protestante de France

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fédération protestante de France (na FPF) dia fikambanana ara-pivavahana tsy mitady tombony araka ny lalàna tamin' ny taona 1901, izay mikendry ny hisolo tena sy hampivondrona ny fiangonana sy fikambanana prôtestanta samihafa any Frantsa. Niorina tamin' ny 25 Ôktôbra 1905 izy. Tamin' ny taona 2012 dia mihoatra ny telopolo ny fiombonam-piangonana (loterana, nohavaozina, evanjelika, batista, pentekôtista) ary fikambanana maherin' ny 80 no mpikambana ao aminy. Ny Fédération protestante de France dia misolo tena fikambanana, toeram-pisahanana asa, fikambanana mpanao asa soa ary hetsika misa 500 any ho any. Ity federasiôna ity dia tarihin' ny pasitera Christian Krieger nanomboka tamin' ny 1 Jolay 2022.