Fiangonan' i Jehovah Tompon' ny Sabata Andro Fahafito

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonan' i Jehovah Tompon' ny Sabata Andro Fahafito na FJTSa7, dia fiangonana kristiana pentekôtista niorina teto Madagasikara tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1996.

"Indro ny faharetan' ny olona masina dia izay mitandrina ny didin' Andriamanitra sy ny finoana an' i Jesosy Kristy, izany tenin' Andriamanitra": izany no iorenan' ny fampianarana rehetra sy ny finoana ao amin' ny FJTSa7.

Manindry mafy ny fiteraham-baovao amin' ny rano sy ny Fanahy izy ireo, izay varavarana hahitana sy hidirana ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra. Mampianatra sady miaina ny atao hoe batisan' ny Fanahy Masina ilay fiangonana izay mandray izany ho fankasitrahan' Andriamanitra azy. Ny 5 Desambra 1996 no heverin' ny mpino ao amin' ity fiangonana ity fa nirotsaka faobe voalohany tao aminy ny Fanahy Masina, izany dia ampitahainy amin' ny andro Pantekôsta. Mino koa izy ireo fa niverina izany batisan' ny Fanahy Masina faobe izany tamin' ny 17 jolay 1999. Tamin' ny taona 2012 no nahazo faminaniana ny FJTSa7 hanosorana ny mpitarika azy ireo ho tonga Apôstôly.

Manana onjam-peo fitoriana ny filazantsara antsoina hoe Radio FmFoi (Feo Mahery ny Finoana). Ny Apôstoly Benjamina no loharano nipoiran' izany fiangonana izany. Efa miitatra maneran-tany ity fiangonana ity ankehitriny satria ahitana ivo-toerana misy azy ireo avokoa ny kôntinenta dimy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]