Fianakaviam-piteny hmông-miena

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fianakaviam-piteny hmong-miena)
Ny fiparitahan'ny fianakaviam-piteny hmonga-miena: mena: sampam-piteny hmongika; maitso: sampam-piteny mienika.

Ny fiteny hmông-miena na fiteny miaô-iaô dia fianakaviam-piteny ao amin'ny faritra atsimo ao Sina sy ao Indôsina. Ao amin'ny faritra be tendrombohitra ao amin'ny faritra atsimo ao Sina no tena miteny azy. Nandritra ny teloarivo na efatrarivo taona farany dia nifindra monina any Tailandy, any Laôsy, any Vietnamy ary any Birmania ny vahoaka hmonga sy ny vahoaka miena sasany. Ny adin-tafika nifanesy tao Indosina dia nahatonga ny mponina hmonga maro handao an'i Azia Atsimo Atsinanana ka hifidra any Aostralia sy any Etazonia ary any amin'ny firenena tandrefana maro hafa koa.

Sampan'ny fianakaviam-piteny fiteny miaô-iaô[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho sampam-piteny roa ny fianakaviam-piteny miao-ioa, dia ny sampam-piteny hmongika sy ny sampam-piteny mienika.

Ny sampam-piteny hmôngika[hanova | hanova ny fango]

Ny sampam-piteny hmongika na miao dia ahitana zana-tsampam-piteny bahengika, ny zana-tsampam-piteny seika, ny fiteny hmongika andrefana, ny fiteny songa, fiteny hmo, ary vondrom-piteny maro hafa koa.

Ny sampam-piteny mienika[hanova | hanova ny fango]

Ny sampam-piteny mienika na iao dia ahitana ny fiteny lomiena, ny fiteny biaomona, ny fiteny kimony ary ny fiteny zaomina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny lehibe[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-pianakaviam-piteny[hanova | hanova ny fango]