Fianakaviam-piteny abkazo-adigiana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Sarintanin'ny faritra misy ny fianakaviam-piteny kaokaziana avaratra-andrefana.

Ny fiteny abkazo-adigiana na fiteny kaokaziana andrefana dia iray amin'ny fianakaviam-piteny ao amin'ny vondrom-piteny kaokaziana, miaraka amin'ny fianakaviam-piteny kartaveliana sy ny fianakaviam-piteny nako-dagestaniana. Ny faritra niavian'ireo fiteny ireo dia any amin'ny tapany avaratra-andrefan'i Kaokazy. Hatramin'ny taonjato faha-19 dia namorona vahoaka am-pielezana any Torkia sy any Israely sy any Jordania ary any Siria ny fifidrà-mionin'ny mponina maro. Ity fianakaviam-piteny ity dia ahitana ny fiteny abkaza, ny fiteny abaza, ny fiteny obika, ny fiteny tserkesa, ny fiteny kabarda, ny fiteny besleney (na besney) ary ny fiteny adigeana.