Fiteny adigeana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny adigeana na fiteny adige, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe fiteny tsirkasiana andrefana, dia fiteny kaokaziana avaratra-andrefana tenenin' ny ampahany amin' ny vahoaka tsirkasiana tandrefana. Any Rosia no tena itenenana azy, ary koa any Torkia, any Jôrdania, any Siria ary any Israely, izay nipetrahan' izy ireo taorian' ny fandripahana ny Tsirkasiana. Amin' ny fiteny adigeana izy dia atao hoe Адыгабзэ / Adygabzə [aːdɘɣaːbzɜ] na кӏахыбзэ / khaxybzə., fa amin' ny fiteny rosiana kosa dia адыгейский язык / adigeyskiy iazik.

Mifandray akaiky amin' ny fiteny kabardiana (fiteny tsirkasiana atsinanana) izy io, na dia misy aza mandà ny fanavahana ireo fiteny roa ireo fa samy tenim-paritry ny fiteny tsirkasiana tokana.

Ny fitenin' ny literatiora dia mifototra amin' ny fitenim-paritry ny Temirgôy. Ny fiteny adigeana sy ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy roa ao amin' ny Repoblikan' i Adigea ao amin' ny Federasiônan' i Rosia.

Manodidina ny 128 000 ny mpiteny ny adigeana any Rosia, saika mpiteny teratany avokoa izy rehetra. Amin' ny fitambarany dia 300 000 eo ho eo no miteny azy io maneran-tany. Ny fianakaviambe miteny adigeana betsaka indrindra dia ao Torkia, tenenin' ny diaspôra taorian' ny adin' ny Rosiana sy ny Tsirkasiana (taona 1763–1864). Ankoatra izany, ny fiteny adigeana dia ampiasain' ny Tserkesôgay ao amin' ny Krain' i Krasnodar.

Ny fiteny adigeana dia anisan' ny fianakaviam-piteny kaokaziana avaratra-andrefana. Ny fiteny kabardiana (fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe fiteny tsirkasiana atsinanana) dia havana akaik' io fiteny io, izay raisin' ny mpikaroka sasany ho toy ny fitenim-paritry ny fiteny adigeana na amin' ny fiteny tsirkasiana tokana. Ny fiteny obika sy ny fiteny abkazy ary ny fiteny abazà dia mifandray lavitra kokoa amin' ny fiteny adigeana.